airtel

Politique

07-janv-2026

Nody i Alain Andriamiseza

«Tsy ny vondrona Tafita mihitsy

Sample post image

no hanongana fitondràna napetrany»

07-janv-2026

Nanao fanambaràna avy hatrany taorian’ny fiverenany nody namonjy indray ny vady aman-janany rehefa avy nohadihadiana teny anivon’ny borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana, Antananarivo, omaly ny filoha mpiara-mitantana ny vovonana politika Tafita na Tambabe marina ho an’ny fanorenana ifotony ho an’ny tanindrazana, Alain Andriamiseza. Nisaotra ireo rehetra nanohana azy tao anatin’ny fotoana sarotra nolalovany ny tenany. 4 na 5 andro teo aho, hoy izy, no notazomina teny Fiadanana rehefa avy nosamborina tao amin’ny fonenako ao Mahambo, Toamasina. Ny zava-nitranga, hoy ny fanazavàny, dia nalaina tany aho ny 30 desambra 2025, tamin’ny 10 sasany alina. Tsy nivoaka aho raha tsy ny 5 janoary 2026. Nahazo fampandrenesana sy nanao fanadihadiana ny governemanta, indrindra, ny fiadidiana ny repoblika ho an’ny fanavaozana, fa hisy korontana manomboka io 5 janoary io. Dia hoe hisy hanakorontana sy hizara vola marobe ka hitarika izany i Alain Andriamiseza sy ny vondrona tarihiny dia ny Tafita. Voalaza koa fa misy miaramila miray tsikombakomba amin’izany. Nalaina tany Mahambo aho ka rehefa nifanatrika dia natao ny fanadihadiana. Tsy nandà niakatra taty Antananarivo aho na dia azoko natao aza ny nandà izany. Mpahay lalàna ny tena. Neveriko nefa fa mba hanatsara zavatra dia naleo natao vaky bantsilana ny zava-misy. 1 andro ihany dia vita soamantsara ny fanadihadiana. Tsy maintsy notazomina aho satria nandrasana hoe inona no hitranga ny 5 janoary? Izay vao nilamina ny tao amin’ny fiadidiana ny repoblika ary izay vao nisy fihaonana teo amiko sy ny filoham-panjakàna. Nanazava taminy aho fa ny tenako manokana sy ny vondrona Tafita dia tomponandraikitra voalohany tamin’ny fametrahana izao fitondràna izao ka tsy ny vondrona Tafita mihitsy no hanongana fitondràna napetrany. Efa mazava kosa nefa fa vao nanomboka io fitondràna io dia efa nametraka avy hatrany izahay hoe misy tsy mety aminay ny raharaha mandeha ao. Tsy inona izany fa ny fametrahana olona efa tanaty fitondràna teo aloha, ny fametrahana olona tsy nitolona, indrindra, ny praiminisitra izay heverinay fa tsy hitondra any amin’ny fanovàna tena izy. Tazomin’ny Tafita ny teniny izay mametraka mihitsy hoe izahay dia mitaky ny andehanantsika any amin’ny fanovàna tena izy. Tsy mahavaha ny olana misy amin’izao fotoana izao ny praiminisitra ankehitriny. Mangataka ny filoham-panjakàna, noho izany, ny Tafita handray andraikitra hanova tsy misy hatak’andro ny governemanta misy amin’izao fotoana izao. Nilaza ho efa manao tombana moa ny filoham-panjakàna. Efa mpiara-miasa akaiky amin’ny filoham-panjakàna izahay ka inona intsony aza no seza tadiavinay ankoatran’izay, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap