Miantso ireo olom-boafidy nomen’ny vahoaka fitokisana mba hijoro sy hiaro azy, fotoana izao hanaovana « action » ho an’ny vahoaka fa tsy hitazana fotsiny na hiteny any anaty haino aman-jery intsony, hoy i Baba Rakotoarisoa, Lily Rafaralahy, ary Clémence Raharirina omaly. Mijoro izao izahay satria resahana foana ny hoe : tsy misy mpitarika, ka izao izahay mitarika am-panetren-tena, miantso ny rehetra izay mahatsiaro fa tsy rariny intsony izao, hoy izy ireo. Anisan’ireo kaominina anaty fiahian’ny Antenimierandoholona izay nanateran’izy ireo taratasy omaly Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina rehetra 1600 eo ho eo manerana ny Nosy. Nomarihin’izy ireo fa olana iraisan’i Madagasikara no mitranga sy tsy voavaha ary mainka mihitatra ka isan’ny fositra ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana. Kaominina aiza no tsy mikaikaika, vahoaka amin’ny kaominina iza no tsy mikaikaika amin’ny delestazy sy fahatapahan-drano, ary misy aza tsy misy rano intsony, hoy hatrany izy ireo. Nampahatsiahy izy ireo fa ny lalàna 2014-020, ny lalàna mifehy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana no mamaritra fa andraikitr’izy ireo izao amin’ny maha olom-boafidy azy, ary tena olana ara-tsosialy no resaka fa tsy politika. Manipika noho izany ireto olom-boafidy ireto, fa tamberin’andraikitra ho an’ny vahoaka no ataon’izy ireo. Ary mba aiza sy nankaiza tokoa ireo solombavambahoaka izay miisa 12 ny eto Antananarivo Renivohitra izay misy avy amin’ny fanoherana ary misy avy amin’ny fitondrana ? Tena misolo tena ny vahoaka ve ?
Toky R