hoy ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny ONG Tolontsoa. Mangataka amin’ny CENI izahay, hoy tomponandraikitry ny fanentanana, Miadana Fabien Privat, hoe aiza ny taratasim-panjakana milaza fa azo atao ny manemotra lava ity fahafaha-manamarina anarana anaty lisi-pifidianana ity? Ny voalazan’ny lalàna, hoy izy, dia misy fotoana hanoratana anarana, hanotana lisitra, hanamarinana ny anarana sy fanitsiana rehetra. Tsy misy fisoratana anarana intsony izany rehefa mandeha ireo. Mbola miara-mandeha anefa izany rehetra izany izao. Ny ahiahy amin’ireo nanoratra anarana nanomboka ny 10 jona izany hatramin’ny 17 jolay dia ho very zo ireo satria tsy afaka hanao fanamarinana sy fanitsiana intsony. Tokony mbola hisy 20 andro indray mandeha indray izany ho an’ireo. Raha ny mikasika ny sata mifehy ny fitondran-tena ataon’ny FES dia tsara marihina fa efa nisy nataon’ny fiarahamonim-pirenena ny 2018-2019. Be dia be no nanao sonia. Rehefa natao ny tombana dia ireo kandida nandika izany sata izany indrindra no nanao fiodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny 70%n’ireo solombavambahoaka lany ankehitriny tsy misy manaraka izany. Aiza ho aiza izany ny tombana nataon’ny FES? Tsy nahomby ny tamin’izany fa ny an-drizareo ve izany mety ho arahana kokoa? Betsaka ny azo ahitsy amin’ny tontolon’ny fifidianana saingy tsy fotoana fanitsiana intsony izao fa fotoana hanomanana fandatsaham-bato. Aorian’ny fifidianana no fanaovana fanitsiana fa tsy hoe fanahy iniana akaiky fifidianana vao apoitra ilay olana satria iaraha-mahalala fa misy mpanao politika tsy afaka ahazo fahefana raha tsy ivelan’ny fifidianana, hoy hatrany ity fiarahamonim-pirenena iray ity.
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny