ny miaramila Frantsay tsy ara-dalàna eto ! »
Mahavariana amin’ireo mpanohitra ny fitondrana hoe : maninona no tsy mba apetraka ny fanontaniana mikasika ireo miaramila Frantsay? hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly, hita tamin’ny haino aman-jery. Nambarany fa misy miaramila Frantsay be dia be eto, ary betsaka noho ny miaramila Rosianina, ary tsy nahazo alalana.Betsaka nbe, miparitaka eran’i Madagasikara, manana ny fiandrianam-pirenena isika, ka raha misy miaramila miditra dia tokony manao taratasy mazava tsara. Gaga ny fitondrana mahita miaramila Frantsay be dia be eran’i Madagsikara ka sarotra ny hanekena an’izany, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Aza adino fa i Andry Rajoelina, dia miaramila Frantsay no naka azy teto.Ny Frantsay mihitsy no nanameloka ny Amerikanina rehefa naka ny Filohan’i Venezuela izy, fa maninona ry zareo no niditra teto naka an’i Andry Rajoelina teto, hoy hatrany ity farany. Nisy fihaonana moa ny fihaonana teo amin’ity Filohan’ny Antenimierampirenena ity sy ny Filoha frantsay Emmanuel Macron, izay nilazan’i Siteny Randrianasoloniaiko, fa nandritra izany dia nilaza izy fa tsy azo heverina ho Malagasy intsony ny filoha teo aloha Andry Rajoelina ary tokony hofoanana ny trosa amin’ny teleferika. Tsara ny manamarika, fa isan’ireo mpanao politika voalaza fa akaiky ny Rosianina ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Nilaza moa i Siteny Randrianasoloiniaiko eo anatrehan’ny adihevitra ara-jeopolitika sy fiaraha-miasa, fa misokatra amin’ny rehetra i Madagasikara. Efa nilaza hoy izy ny fitondram-panjakana hoe : Izahay tsy milampiaro na Frantsay na rosianina na sinoa, fa raha hanampy anay ianareo dia omeo fitaovana ny miaramilanay mba hiarovanay ny tenanay, dia mba omeo karazana fiofanana ihany koa. Na izany na tsy izany, betsaka ireo zava-mitranga somary mampiahiahy sy ilàna mangarahara sao sanatria misy fanapahan-kevitra na fifanarahana avo lenta mety hampidi-kizo ny firenena sy hanohintohina ny fiaindrianam-pirenena, sao mba fifandraisana mety maneho fitsabahana na « ingérence » amin’ny raharaham-pirenena, sao mba fifanarahana avo lenta miendrika fivarotan-tanindrazana sy harena gaboraraka ankolaka na mivantana,…
Toky R