airtel

Politique

01-mars-2024

Paolo Raholinarivo, filohan’ny SYNAD

«Tsy misy dikany intsony ilay Fanjakana rehefa… »

Sample post image

Niaro ny naneho ny heviny i Paolo Raholinarivo, filoha nasionalin'ny

01-mars-2024

Sendikan'ny Administratera Sivily eto Madagasikara (SYNAD) manoloana ny fanebahana ampahibemaso nahazo ny Lehiben'ny Distrikan'i Mahajanga II sady mpikambana ao amin’ny biraon'ny SYNAD, Nicolas Rabenandrasana, nataon'ny depiote Rasalama Léon, voafidy tao Mahajanga II. "Tadidio fa rehefa voazimbazimba ny Solotenam-panjakana dia ilay Fanjakana mihintsy no tsy misy dikany intsony… Izay no tsy mampisy izany « Autorité de l’Etat » izany intsony eto ka samy manao izay saim-patany ny rehetra satria tsy misy atahorany ka manjaka ny gaboraraka… Olom-boafidy tokony ho modely eto amin’ny Firenena manao fihetsikan’ny jiolahim-boto dia aiza moa isika no hahafehy Vahoaka amin’ny lafiny rehetra? Misaotra ny Collègues Administrateurs Civils mahasindry fo ka tsy voatariky ny kisoa hifampitolona aminy ao anaty vovoka sy fotaka, manana ny hasiny iny tenue anaovan-tsika iny. Manaitra ny Premier Ministre Chef du Gouvernement, Chef de l’Administration manolona ny fanimbazimbana ny Solotenanao eny imasom-bahoaka . Dia aza mbola mandray fepetra ihany fa mbola ho avy ny désobéissance civile satria very ilay fahefam-panjakana eto Madagasikara", hoy i Paolo Raholinarivo. Hangina fotsiny ihany koa ve ny Minisitry ny Atitany eo anatrehan’ny admnisitratera sivily izay notevatevaina imasom-bahoaka ireny ? Nisy rahateo ny fireharehana nataon’ilay olom-boafidy izay tsy vao izao fa efa hatry ny ela, fa nanao tatitra tany amin’ny filoham-pirenena mba hanesorana io Lehiben’ny distrika io. Hijanona eo io raharaha io sa hisy tohiny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap