Ny taona 2014 no nisy fihaonana an-tampon’ireo firenena mikambana anaty kaomisionin’ny ranomasimbe indianina na COI, izay natao tany Moroni, Kaomoro, hoy ny fampahatsiahivan’ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy teo aloha sady efa masoivoho, Paraina Auguste. Izao izany, hoy izy, dia i Madagasikara indray no handray izany. Nakambana amin’ny fitsidihana ataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, izany hoe, tahaka ny «visite bilatérale d’état» izany io amin’ny 23 aprily io. Atao hoe lojika na «normal» ihany hatreo fa ohatran’ny hoe tafahoatra na «exagéré» kosa ilay fomba fandraisana. Hatramin’izay izany teto dia maloto ny tanàna. Izao amboarina daholo ny tanàna. Mampahatsiaro ny taloha ilay toetsaina mataho-bazaha satria hoe misy vazaha ho tonga. Misy mpanoratra maromaro moa namakafaka momba ny atao hoe «complexe de négritude» na «complexe de néo-colonisé» hoy ry Aimé Seizer. Mbola tafiditra anaty mpitondra antsika mihitsy izany ny atao hoe «taho-bazaha»! Samy manadio ny olona ary samy mandray olona daholo fa ilay hoe atao andro tsy fiasàna ilay izy dia tena hita hoe efa tafahoatra. Ny tompona orinasa moa dia misy milaza hoe soloina andro sabotsy izany no iasana. Anaty faharefoana tanteraka izany i Madagasikara izao manoloana an’i Frantsa. Isika nefa hiady ireo nosy manodidina. Mampalahelo ireo raiamandreny maty tamin’ny 1947. Na ry Didier Ratsiraka, ry Rabetafika, Ranjeva niady mafy ny hamerenana ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ireo. Efa nosy malagasy no anaran’io ao amin’ny firenena mikambana hatramin’ny 1979. Tsy misy resaka intsony izany izao fa dia kaomisionina in-dray mandeha dia vita. Ohatran’ny misolelaka amin’ny frantsay fotsiny no ataon’ny mpitondra antsika! Efa fantatry ny frantsay anefa fa renivohitra faran’ny maloto manerantany i Antananarivo. Tekinolojia ny azy efa avo lenta be. Izy indray aza no mahafantatra betsaka ny zava-misy eto noho isika. Tohizo amin’ny faritra rehetra ny fanadiovana ary ataovy fanao fa tsy hoe rehefa misy vahiny ihany. Fantany ny fahalementsika dia alefany ny ritsoka hoe mety tsy ho tonga nefa efa fantatra fa tsy maintsy ho tonga eo izy. Misy farany daholo ny zava-drehetra. Tsy mila mitsangana intsony izao ny mpanohitra fa ny vahoaka koa efa miha mitsangana. Io efa mihoa-pefy io izy. Efa tsy mahita lehibena mpanohitra mila mitarika izany intsony ianao izao ary efa nampoizina izao zava-misy izao, hoy hatrany ny tenany, fa efa miha maneho ny hatezerany ilay vahoaka.
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny