nanaparitaka tamin’ny tambazotra sosialy. Tsotra sady mazava ny resany : sahalan’ny tsy nisy ny fifidianana, izay no hevitry ny vondron’ny kandida hatramin’izay ary tsy miova io. Maro, hoy i Paraina Auguste ny resaka notapahina ka natambatambatra tamin’io « video » io ; raisoko ho sahalan’ny ompa ho ahy, hoy izy ny filazana fa izaho vonono hanaiky ny valim-pifidianana sy hiara-hiasa amin’ny Andry Rajoelina .
Mitohy ny tolona miaraka amin’ny collectif des candidats sy ny vahoaka mitady fahamarinana, hoy i Paraina Auguste.
MITOHY NY TOLONA
Valin-kafatra mazava tsara ho an’ny resabe etsy sy eroa ity fanehoan-kevitr’i Paraina Auguste ity, tsy tokony hanana ahiahy ny vahoaka sy ireo mpiaradia fa tsy mivadika amin’ny efa nifanarahana ny vondron’ny kandida, hoy ny tompon’andraikitra iray miara-miasa akaiky amin’izy ireo ; mila fantatra ihany koa fa tsy maintsy mamoron-javatra mba hampizarazarana ny Collectif des Candidats ny etsy ankilany fa tsy hoe hitazam-potsiny, efa fomba fiady politika izany. Ny endriky ny tolona no mety hoe niova fa tsy ny votoatiny. Tsy maintsy manana paikady hafa manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha, hoy hatrany ny fanazavana voaray fa tsy hoe ny fomba fiady teo aloha foana no tohizana. Hetsika ho an’ny Malagasy, ho an’ny taranaka faramandimby, ho an’ny tanindrazana izao atao izao, tsy mora izany fa izay anefa ilay izy.Mazava ny an’ny Vondron’ny kandida : Tsy maintsy mandresy ny tolona.
Nangonin’i RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby