amin’ny Firaisankinan’ny kandida ny andron’ny omaly 02 novambra. Nisy ihany koa ny fanolorana taratasy hampitaina amin’ny ambaratongan-drafitra, indrindra ny Vondrona Eoropeanina.Miantefa amin’ny Vondrona Eoropeanina ny taratasy, fa ampitaina ihany koa ho an’ny Parlemantera Eoropeanina sy Frantsay, hoy ny Depiote Fetra Ralambozafimbololona. Mivoitra ny fiantsoan’izy ireo ny hijerena ny toe-draharaha eto Madagasikara izy ireo, mba hisian’ny fametrahana fifampiresahana hahatongavana amin’ny fifidianana tena izy sy madio ary eken’ny rehetra. Ny antenimierampirenena hatreto no hany rafitra manana fahamarinan-toerana ara-dalàna na « légitime » ary nandritra ny fanokafana ny fivoriana ara-potoana farany teo, dia notronin’ireo diplaomaty maro. Tsara ny manamarika fa ara-tantara sy ara-politika, dia mbola mifandroy eo hatrany ny fifamatorana eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa. Noho izany, ho an’ny mpanohitra, dia tokony hiteny i Lafrantsa satria ny loharanon’ny olana eto dia mponina Frantsay (Andry Rajoelina), ka tsy tokony verivery foana ny ran’ny Malagasy niady ho an’ny fahaleovantena, ary tsy tokony hisy ny fitsabahana izay mety mety hanaratsy endrika hatrany ny fifandraisana ara-diplomatika satria olona efa nanary ny maha Malagasy mba hisitrahana ny zom-pirenena Frantsay no isan’n isan’ny fototry ny olona. Manamafy ny eo anivon’ny fanoherana, fa ahiana ny fifandonana sy sakoroka ara-pifidianana, raha terana atao amboletra amin’izao endriny izao ny fifidianana. Tsikafon’ireo parlemantera ao anatin’ny fanoherana ny endrika fanitsakitsahan-dalàna maro samihafa toy ny fanapahan-kevitry ny HCC ka tokony hovaina, ny fomba fiasan’ny CENI, fitanilan’ny governemanta izay tokony hovaina, fanitsakitsahana ny zo fototra, fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena Malagasy, ny kolikoly goavana tahaka ny raharaha Gemfields nahasaringotra ny Tale Kabinetran’ny filoha teo aloha ary izy aza mety voasaringotra,… Nampahatsiahivana ny fanambarana ofisialy momba ny zon’olombelona, satan’ny Firenena Mikambana, sata Afrikanina momba ny zon’olombelona sy zon’ny vahoaka, satan’ny Frankofonia, fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo politika sy zo sivily, ny fanambaran’i Paris. Eo ny fiandrianam-pirenena izay matetika ventesina sy atao fitaovana amin’ny tombotsoa politika, saingy tsy afa-miala amin’ny sehatra iraisam-pirenena isika amin’ny maha mpikambana, nanasonia fifanarahana iraisam-pirenena maro izay mipetraka ho ambony noho ny làlanantsika, ka rehefa misy ny olana tahaka izao dia mandeha foana ny fidirana an-tsehatra mivantana ataon’ny iraisam-pirenena miainga amin’ny « principe de subsidiarité » ka miakatra hatrany arakaraka ny ambaratonga rehefa tsy voavaha. Miteraka faharefoan’ny fifandraisana ara-diplaomatika, ara-toekarena, ny lafiny mahaolona,… rehefa tsy voahaja ny demokrasia, zon’olombelona,…
Toky R
Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo
Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.
Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,
Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny
Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto
Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy