airtel

Politique

09-janv-2023

Politique

Pasitera Mailhol « Mety hisy tetezamita indray eto …»

Sample post image

Hatreto,mbola tsy namoaka ny tetiandrom-pifidianana tokony hatao amin'ity taona 2023 ity ny CENI na ny rafitra mahaleo-tena misahana ny fifidianana eto amintsika !

09-janv-2023

Mampametra-panontaniana ireo mpisehatra politika ny tena anton'izany ka mahatonga ahiahy ho an'ny besinimaro noho ny tsy fisian'ny fanazavana matotra avy amin'ireo tompon'andraiki-panjakana. Ho an'ny Pasitera Mailhol lehiben'ny Fiangonana Apokalipsy sady Filoham-boninahitry ny Antoko GFFM dia ny tsy fisiana na tsy fahampian'ny vola hoenti-manatanteraka fifidianana no anton'izany rehetra izany ! Raha araka ny teti-bolam-panjakana 2023 vao nolanian'ny solombavam-bahoaka tokoa mantsy hoy izy sy ny nambaran'ny Filohan'ny CENI dia tsy ampy hanaovana fifidianana ny vola eo am-pelatanana. Raha sanatria tsy hisy fifidianana anefa amin'ity taona 2023 ity hoy ny Pasitera Mailhol dia mazava hoazy ny hisian'ny tetezamita izay tsy fantatra na haharitra hafiriana indray izany ! Tena tsy hahasoa ny firenena intsony mihintsy anefa ny fitondrana tetezamita hoy izy indrindra anatin'izao fahasahiranana lalina efa iainan'ny vahoaka Malagasy izao ary na ny tenany aza dia tsy mankasitraka velively ny hisian'izany . Nandritra ny fanehoan-kevitra nataony nanoloana ny mpanao gazety tetsy amin'ny Coliseum, nandritra ny fankalazana faha-25 taonan'ny Radio Fanambarana ny Sabotsy teo no nanaovan'i Pasitera Mailhol antso ho an'ny mpitondra fanjakana mba hitady vola faran'izay haingana hahafahana manao fifidianana amin'ity taona ity satria tena ahiana hiteraka korontana goavana ny tsy fisian'izany fifidianana izany ka hanimba tanteraka ny toe-karem-pirenena izay efa tena sempotra tanteraka aza ankehitriny. FAMINANIANA 2023 Miantso ny fifanantonan'ny samy mpanao politika ihany koa ny Pasitera Mailhol hiara-hitady vahaolana ho an'ny firenena satria izay ihany no lalana hisian'ny filaminana sy hialana amin'ny korontana ka hiainan'ny firenentsika ao anaty fahazavana araka ny faminaniana nomen'Andriamanitra ity mpitondra fivavahana ity . Raha samy hiziriziry mantsy ny mpanao politika eto Madagasikara amin'izao ankatoky ny fifidianana izao,tsy hifanantona,tsy hifamela fa mbola hifampihatsaravelatsihy ka ny mpanohitra amin'izao fotoana ohatra no ho tafakatra eo amin'ny fitondrana aorian'izay zava-mitranga eo dia hamaly faty ny mpitondra ankehitriny indray izy ireo ka ho korontana ambony ambany no hisy eo amin'ny tontolo politika sy fiainam-pirenena. Notsipihin'ny Pasitera Mailhol arak'izany fa zava-dehibe ho an'ny firenena ny firosoana amin'ny fifidianana ao anatin'ny filaminana aorian'ny fifanantonan'ireo mpisehatra politika rehetra tsy ankanavaka na mpitondra na mpanohitra. Tokony amin’ ny volana febroary na martsa 2023 hoavy izao kosa anefa farafahatarany no tokony havoaka ny datim-pifidianana raha hisy amin'ity taona ity raha ny lojika. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia notsipihiny fa ho mafy ary ho maizina ny tontolo politika amin'ity 2023 ity,tsy ho an'i Madagasikara ihany raha ny faminaniana azony fa maneran-tany mihitsy.
Pati
Legende : Nandritra ny fankalazana ny faha-25 taonan'ny Radio Fanambarana tetsy amin'ny Coliseum
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap