airtel

Politique

19-janv-2023

Politique

Pasitera Tsarahame Edouard “Fa inona izany no tokona hampirehareha antsika manana ilay tafika?”

Sample post image

hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Pasitera Tsarahame Edouard.

19-janv-2023

Mazava tsara sy mifanaraka amin’ny fiainan’ny firenena ankehitriny ilay toriteny, hoy izy. Niresaka momba ny fifidianana izy, ny fampandrosoam-pirenena, tsy fahandriampahalemana eto amin’ny firenena, ny fampihavanam-pirenena, toe-tsaina maha Kristianina. Tsy hitako izay tokony hisiana resabe amin’ireny fa ny nahagaga ahy fotsiny dia hoe naninona no nisy tohina? Ary inona no antony naha tohina tao anatin’ilay toriteny? Tsy misy eto amin’ny tany sy firenena afaka hilaza fa mampilamina ny hala-bato. Faharoa hoe maninona no misy tsy fandriampahalemana eto amintsika nefa isika manana tafika? Nitroatra moa ny minisitry ny fiarovana fa nolazainy ho fanambaniana ny tafika ireny. Tsy izay no tokony handraisana ilay teny fa hoe inona no anjara andraikitry ny tafika eto amin’ny firenena? Vitany ve izay? Tena milamina ve ilay vahoaka? Misy tokoa ve ilay fandriampahalemana? Ny tafika tsinona no tokony hanao izany. tokony hirehareha na “fier”, hoy ny minisitra, isika malagasy manana ny tafika. Marina izany! Fa inona izany no tokona hampirehareha antsika manana ilay tafika? Izy omena grady jeneraly sa izy manao ny asany? Ny tokony ataon’ny tafika tsy ataony, tsy vitany nefa isan’andro izao dia mitombo foana ny grady. Izay ve ilay maha “fier” antsika? Ny gasy mpiray tanindrazana aminao maty voatifitra. Matin’ny mosary. Matin’ny tsy fandriampahalemana dia izay ve no tokony haha “fier” antsika amin’ilay tafika? Aza ambaniana tahaka an’izany re ny gasy e! Marina fa manana basy ianareo. Manana ny hery. Fa aza dia atao an’izany ny malagasy. Ianareo milaza fa hoe mihantsy ny tafika fa izahay koa mahita hoe ianareo mihitsy no mihantsy ilay vahoaka amin’ny fomba fitenenanareo sy fomba fihetsikareo. Tao anatin’ilay toriteny koa niresaka hoe mila fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra isika. Izay no antony iantsoanay ilay fikaonandoham-pirenena hifanarahan’ny rehetra fa tsy ny toritenin’olona ary no andeha hifanarahana. Voalaza ao amin’ny Baiboly ny hoe “Ataoko ahoana no hijery ny loza hanjo ny fireneko?”. Efa hita fa misy loza mitady hanjo ny firenena dia mbola hangiana ihany ve ny mpitondra fivavahana? Asakasakareo mpitondra fivavahana ao mbola hanao “merci président” aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap