airtel

Politique

19-mars-2024

PASTERA MAILHOL

Antoko maty no tsy mandray ny andraikiny

Sample post image

Efa samy mihetsiketsika avokoa ireo antoko politika maro samihafa eto

19-mars-2024

amintsika amin’izao manomana ny fifidianana solombavambahoaka hotanterahina amin’ny volana May ho avy io. Rariny loatra izany ho an’ny pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany. Ny antoko maty mantsy hoy izy no tsy mandray ny andraikiny. Fampandrosoana ny firenena rahateo no resaka raha ny nambarany ary hazakazaka no hatao ka tena mety ny fifaninanana mba hahafahana mijery ireo tena maharary ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanaovana ny lalana sy ny fandaniana ny lalana. Ho an’ny antoko Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara manokana na ny GFFM izay tarihiny dia nambarany fa handrotsaka solombavambahoaka miisa 40 manerana ny Nosy izy ireo raha misy ny vola. Somary lafolafo ihany mantsy ilay 20 tapitrisa Ar izay saran’ny filatsahan-kofidiana koa raha misy ireo mpikambana manana dia tsy hatosi-bohon-tanana izy. Mikasika ny fampitomboana isa ireo solombavambahoaka eto amintsika izay tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Ministra dia nambarany fa vao mainka tsara izany. Ho an’ireo solombavambahoaka kosa dia hirariany izy ireny mba ho tena olom-boafidy hahavita ny asa tokoa ho tombontsoan’ireo vahoaka nifidy azy.
Pati
Legende : Pastera Mailhol filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany !
 

Dans la même rubrique

18-mai-2026

Efa naloam-bahoaka ny TGV, miketrika ny FIVOI...

Card image cap
18-mai-2026

indray no Filoha vaovao

Card image cap
18-mai-2026

ka tsy azo fitahina!»

Card image cap
15-mai-2026

Tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny

Card image cap