airtel

Politique

12-sept-2025

Patrick Andriamahefa

« Aza miseho ho tia tanindrazana fa mahatsiravina sy maharikoriko »

Sample post image

Aza miana-kendry sy miseho ho Tia Tanindrazana fa

12-sept-2025

mahatsiravina sy maharikoriko e! Vahoaka farahidiny. Firenena mahantra indrindra eran-tany ve no ireharehana? », hoy i Patrick Andriamahefa nanakiana mivantana ny teny amam-pihetsiky ny olon’ny Fitondrana Rajoelina. Izy izay isan’ireo niara-dia tamin-dRajoelina tamin’ny tetezamita, mialokaloka politika any ivelany ankehitriny noho ny fanenjehan’ny Fitondrana ankehitriny azy. Notsongainy tsirairay ireo mpitondra nifandimby: Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajaonarimampianina, ary Rajoelina, ka nasehony fa samy nisy nanongana, nandrava, na nanimba ny zava-bitany avokoa. « Nitondra Ratsiraka: iza avy ireo nanaratsy sy ni-diabolisé azy? Nitondra i Zafy tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana : Iza avy ireo nanongana azy tamin'ny alalan'ny "Empêchement"? Niverina nitondra Ratsiraka dia mbola iza ihany ireo nanongana azy sy nandrava ary namotika ny zava-bita rehetra tao Madagasikara? Nahazo fitondrana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana Ravalomanana: iza no niketrika ny fanonganana azy sy namotika ny fananany rehetra sy ireo foto-drafitr'asa rehetra natsangany? Tsy ho resahako ny fitondrana Tetezamita 2009 satria efa fantatry ny rehetra fa fanonganam-panjakana mazava be iny. Tao anatiny aho fa tsy nandroba sady tsy namotika. Nitondra firenena Rajaonarimampianina : Iza avy ireo ni-diabolisé azy sy nanongana azy tamin'ny alalan'ny fifidianana noterena ho atao alohan'ny fotoana? Niverina nitondra firenena Rajoelina rehefa avy nanongam-panjakana fanindroany (Ravalomanana sy Rajaonarimampianina) », hoy izy nampahatsiahy. Dia hilaza sy hiana-kendry ve ireo mpomba sy mpisolelaka an-dRajoelina fa tsy ilaina ny fanakorontanana? Nefa ny fanakorontanana sy fandrobàna no nahazahoana ny fahefana? Dia sahy hilaza ve ireo mpanara-dia an-dRajoelina fa tsy nandroso mihitsy i Madagasikara raha tsy amin'izao fitondrany izao? hoy hatrany i Patrick Andriamahefa. Tsy navelany handalo fotsiny ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, fandrobana sy famotehana ny fototra nioreanay, kanefa mianakendry sy manome lesona ankehitriny. Nampitodika ny saina amin’ny fahantrana lalina sy ny tsy fisian’ny fandrosoana, ka nanontany hoe: firenena toy izany ve no ireharehana? Tsy maintsy hitaty ny vokany ireo rehetra manohana ny rafitra misy ankehitriny, ary ho mafimafy kokoa nohon’ny nanjo ireo mpitondra teo aloha, raha ny fanehoan-kevitr’i Patrick Andriamahefa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap