airtel

Politique

22-sept-2023

Paul Rabary

“Tsy mety ilay mandroso mihemotra!”

Sample post image

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

22-sept-2023

satria ny HCC na fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na mpitsara avo momba ny lalàmpanorenana no natao hitsara ny raharaham-pifidianana. Vao nametraka filatsahan-kofidiana ny kandida ho filoham-pirenena rehetra, hoy izy, dia manaiky izay fitsipi-dalao izay. Heritrereto hoe mpampianatra eny amin’ny oniversite aho. Misy mpianatra miditra taona voalohany, izao no mpampianatra, hitsara. Heritrereto hoe ny mpianatra ho tsaraiko lasa tsy manaiky ny zavatra tsaraiko. Mahagaga aloha izay hoe fa maninona ilay kandida miditra anatin’ilay dingana na “processus” no tsy manaiky na mitsikera ny mpitsara? Iza no tokony hitsara ny lalàmpanorenana hifanarahana na tsy hifanarahana? Ny kandida ve? Afaka miteny daholo ny olona rehetra. Ny fanehoan-kevitry ny firaisamonim-pirenena na administratera sivily dia toy ny fanehoan-kevitry ny olona rehetra. Mametraka ny CENI sy HCC ny dingam-pifidianana ka rehefa tafiditra ao ianao, tsy ianao kandida indray no andeha hanakorontana ilay dingam-pifidianana na “processus électoral”. Afaka miteny ny rehetra fa tsy mpitsara. Hatramin’izao ny repoblikanina any Etazonia milaza fa nisy naka an-keriny ny vadin’ny kandida Donald Trump tamin’ny taona 2020. Tsy midika nefa hoe marina izany. Maneho ny heviny izy. Izay no demokrasia. Tsy tokony tany amin’ny HCC ireo kandida no nametraka fitarainana rehefa tsy natoky ny HCC ho afaka hitsara ilay raharaha fa tany amin’ny administratera sivily na firaisa-monim-pirenena. Ny olona nomena fahefana efa miteny hoe tsy vitako io. Ho terena ary ve izy hoe raiso io? Sao dia efa manao governemanta kely ireo kandida miisa 10? Raha ny fihazakazaky ny kandida manao fanambarana no lasa tsy misy mipika ny resaka amin’ny HCC, tsy efa tsara ve izany? Raha tsy atokisana ny HCC sy CENI dia tsy tokony nilatsaka mihitsy. Matoa ianao milatsaka dia manome hasina ny CENI sy HCC. Ny herivelona rehetra anaty demokrasia averiko ihany fa afaka maneho hevitra daholo saingy tsy nanakana ny fahalanian’i Joe Biden izany. Ny fahendrena indrindra rehefa tsy matoky ianao dia tonga dia miteny hoe hanaovanay ankivy na “boycotte” io fa izahay tsy hanao. Tsy mety ilay mandroso mihemotra satria na ireo mpanaraka aza sahirana! Ny hiafarany dia ho kosehin’ilay mpanaraka daholo ilay kandida miisa 10 dia ho lasa vato maty. Efa hiditra anaty propagandy afaka andro vitsy. Izaho manahy fa misy fetsy amin’ireo kandida miisa 10 ireo dia hihevitra azy hoe izaho no tena izy fa iretsy mpanaraka fotsiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-déc-2023

Hanao diabe ao amin'ny Place Trocadéro Paris, Frantsa ny sabotsy 9 desambra 2023

Card image cap
05-déc-2023

Hatramin’izao ny Federasionin’ny gadra politika na FEDEP dia mbola tsy manaiky ny maha filoham-pirenena

Card image cap
05-déc-2023

Raha nametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina talohan’ny nilatsahan’ny ho filohan’ny repoblika

Card image cap
05-déc-2023

Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,

Card image cap
05-déc-2023

Ny 15 desambra izao no hifarana ny fotoam-pivoriana ho an’ny solombavambahoaka.

Card image cap
05-déc-2023

Fanorolahy Antoko politika miezaka mijery hatrany ny tombontsoam-bahoaka ny antoko Fanorolahy,

Card image cap