airtel

Politique

05-oct-2026

PM Mamitiana Rajaonarison

Vahaolana ara-tsosialy maro no

Sample post image

nentina, voafehy sy miakatra ny toekarena

05-oct-2026

Taorian’ny enim-bolana voalohany nitondrana ny raharaham-panjakana, nanamafy dinamika vaovao eo amin’ny fomba fitarihana sy fanatanterahana ny asa governemantalyny Fanjakana, raha ny navoitran’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governamanta Mamitiana Rajaonarison omaly. Nifantoka tamin’ny fahombiazana sy ny vokatra azo tsapain-tanana ny fomba fiasa napetraka, ka ny tombontsoan’ny daholobe sy ny filàn’ny vahoaka no napetraka ho ivon’ny laharam-pahamehana, ary hentitra ny fametrahana ny fahintsiana sy ny ady amin’ny kolikoly. Famaliana ny filana maika toy ny jiro sy rano izay fototry ny tolona fa teo ihany koa ny rivodoza, programa fanavaozana hitondrana makany amin’ny Repoblika fahadimy, ny fampiraisana ny Malagasy no iraka ampanaovina azy. Ho an’ny jiro sy rano, betsaka ny fotodrafitrasa natao : 1200 mahery ny fotodrafirasa nanomboka ny volana martsa ka ny ampahenina dia tany Androy izay nitarihana rano nakany Ambovombe,… Nahatratra 7hetsy na 8 hetsy latsaka ny olona nisitraka rano. Mety mbola tsy tonga lafatra fa nitombo ny fisitrahana rano teto Antananarivo sy ny faritra maro, hoy izy. Ho an’ny jiro, dia voapetraka any amin’ny 35MW ny fampitomboana ny eto Antananarivo ; efa mivaha ny tany Toamasina, vita sonia ny Volobe hamokatra 115MW, nividy milina sy solika mivantana ho an’ny Jirama mba tsy hividianana lafo,... Mbola tsy tena voavaha ny olan’ny Jirama izay am-polo taona, fa tena miezaka ny Fanjakana. Ho an’ny tanora, 200 miliara Ar no natokana ho an’ny tetikasa Fandroso, ahafahana mampindram-bola ho an’ny tetikasan’ny tanora. Ara-diplaomasia, tena fanavaozana entina manoloana ny fahazarana teto hatramin’izay dia mangataka isika hoe ampio izahay, fa rehefa tenenina hoe omeo ny tetikasa dia sahirana. Lasa mandany ny vola azo amin’ny atrikasa sy fandalinana, 30 taona ve hanao fandalinana fotsiny. Miova ny fomba fiasa, ka ny politika dia avadika tetikasa mivaingana,… Miezaka mametraka endrika tsara ho an’ny Fanjakana eo anatrehan’ny fifandraisana iraisam-pirenena, ka na ny trosa noho ny raharaha 2009 mikasika ny orinasa Belza aza dia neken’ny Fanjakana aloa. Ara-toekarena, raha nanao ny tetibolam-panjakana 2026, dia nikendry 5,2% ny fiakaran’ny harin-karena faobe na PIB, saingy notenenin’ny Mpiara-miombon’antoka fa ambony loatra noho ny Gezani sy ireo olana hafa,… Nampidinina 3,8% saingy vokatra amin’izao dia 4,1% izay midika fa nisy fiantraikany ny ezaka natao, raha ny nambaran’ny Praiminisitra. Voatazona ny vidin’ny solika, nihatsara ny sandan’ny Ariary izay misika fa mihamora ny fanafarana entana, mitombo ny tahirin’ny vola vahiny,… Nofoanana ny haba TVA 20% amin’ny findramam-bola amin’ny banky ka afaka nitombo ny findramam-bola amin’ny fampiasam-bola eto. Navoitra fa manamora ny fampiasam-bola ary manampy betsaka ihany koa amin’ny fandoavan’i Madagasikara ny trosany. Mifandanja amin’ny sandan’ny fanafarana entana mandritra ny 5 volana ny tahirim-bola vahiny, saingy amin’izao dia efa miakatra ho mitovy amin’ny 7 volana. Ho an’ny làlana, 3000km latsaka no efa atao, ny ao Betroka dia 30km « point noir », ny RN1 Bis mbola lalan-tany no atao fa ezahana hatao tara,... Ny RN7 dia goavana sy efa azo tsapain-tanana ny fanamboarana, ka fotoana isan’ny nahasarika mpitsidika mpizahatany sy mpitsidika betsaka indrindra ity taona ity ho an’i Mahajanga noho ny fahatsaran’ny làlana. Ara-pamokarana, ampitomboina avo efatra heny ny famokarana, isika manana ny FOFIFA. Tsy tokony ho be fanahiana isika amin’ny fampidirana masom-boly eto, fa mahasoa io. Miatrika ny El-nino izay vanim-potoana mafy isika, ka nambara fa tsy misy tokony ho olantsika amin’ny masomboly safioitra. Vao avy tany Egipta ny PRRM, ary ny any ihany koa mamboly vary safiotra izay maniry amin’ny tany maina, raha ny filazan’ny Praiminisitra manoloana ny ahiahy maro. Ara-panantanjahantena, navoitrany fa mampiray ny Malagasy ny kitra, tsy maintsy tohanana ny ekipam-pirenena. Efa niteny ny Minisitra fa vitain’ny Fanjakana ny andraikiny, ka hatao izany. Atao manaraka ny fenitra sy arifomba ny kianja hahafahana mahazo ny fahazoan-dalana


Ara-politika, nambara fa misy fitoniana ihany ny Firenena amin’ny ankampobeny, nisy ny fifampihainoana, fisokafana nataon’ny Filoha. Tsy mbola any amin’ny resaka fanovana governemanta izao fa any amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana, ny mahasoa ny vahoaka Malagasy, ary tsy misy mpiara-miombon’antoka hanome fepetra an’i Madagasikara amin’ny fanovana olona. Ny Filoha no tompon’ny teny farany amin’ny firosoana amin’izany, izy no mahita hoe inona no ahitsy sy mila soloina, fa tsy misy mpiara-miombon’antoka manome baiko amin’izany, raha ny nambaran’ny Praiminisitra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

05-oct-2026

Rajosoa no hitarika ny ao Toamasina

Card image cap
05-oct-2026

ilaina fa tsy politikan'ady seza

Card image cap
02-oct-2026

Hankalazaina miavaka ny 14 oktobra

Card image cap
02-oct-2026

Nitohy tamin’ny lalao ara-panatanjahantena omaly

Card image cap
02-oct-2026

Havadika ho asa mitera-bokatsoa

Card image cap