airtel

Politique

03-juin-2024

PM NTSAY CHRISTIAN

Nampakana sisi-tosy, miandry ny fanoloana azy ?

Sample post image

Ankoatry ny hoe mety mahatazana na mifanena amin’ny fiara mitondra azy eny an-dalambe angamba,

03-juin-2024

dia tena vitsy mba tsy ilazana hoe tsy misy mihitsy ny fotoana ahiatana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian tato anatin’ny 5 volana izao. Mazava ho azy fa hita tany amina lanonana vitsivitsy ny tenany, fa tsy mba re naneho hevitra na nanome toromarika mivantana momba ny zava-misy iainan’ny firenena.
TSY MISEHOSEHO
Tsiahivina ihany anefa fa lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana ny praiminisitra ary raha mbola eo izy dia izy no mandray an-tanana voalohany ny zavatra momba ny asan’ny mpanatanteraka sy ny governemanta.Any anatin’ny fampahafantarana na filazana ny zava-misy amin’ny vahoaka raha ilaina izany. Marina fa misy filohan’ny repoblika, filoham-pirenena fa raha ny fahita amin’ny tany demokratika salama tsara rehetra aloha dia ny praiminisitra no miteny rehefa misy raharaham-panjakana lehibe.Efa tena zavatra hoe iainkinan’ny ain-dehiben’ny firenena tahaka ny hoe fetim-pirenena, sanatria nisy loza voajanahary mahatsiravina , na fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny firenena vao miteny ny filohan’ny repoblika.Mety hoe kabary io na fandaharana manokana iarahany amin’ny mpanao gazety dia alefa amin’ny haino aman-jery.
MARO AN’ISA VAOVAO, PM VAOVAO ?
Ekena fa mety hoe nisy ny fifandaminan’asa fa na izany aza somary mahagaga ihany io fahanginana be an’ingahy Ntsay Christian io ka mahatonga ny mpanara-baovao politika sasany hieritreritra hoe sao dia nasaina naka sisitosy sy tsy mipoipoitra mihitsy aza aloha ingahy PM satria mety efa ho soloina. Misy ny manombatombana mantsy fa hoe rehefa vita ity fifidianana solombavambahoaka ity, tafapetraka amin’ilay faniriany hanana maro an’isa tsy azo hozongozonona ( depiote miohatra ny 108 amin’ireo 163) ny antokon’ny fitondrana. Dia hiroso amin’ny fisafiidianana praiminisitra vaovao, satria efa tsy metimety intsony amin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry volomboasary miaradia amin’ny filoham-pirenena i Ntsay Christian izay nisy fotoana efa saika nodakan-dry zareo fa avotra tampoka tamin’ny ora farany satria nifanambitamby tao angamba hoe aleo tsy maidy an-trano sao hiara-hahita an’i jakoba eto dia nilamindamin-dratsy.Saingy miova tanteraka ny fisehoan-javatra amin’izao fotoana satria raha ny re dia mitaky io toerana praiminisitra ireo ry zareo miaza fa tena « TGV Mapar Original » . Ho hita ny ho tohiny .

Efa Praiminisitra nanomboka ny 06 jona 2018 i Ntsay Christian, nametra-pialana ny 19 desambra 2023 fa mbola nanohy ny fanohizan-draharaha. Voatendry ho praiminisitra indray ny janoary 2024. Izy aloha hatreto no praiminisitra nahavita nitety fitondrana roa nifanesy dia ny fitondrana Rajaonarimampianina sy ny fitondrana Rajoelina.
RTT
 

Dans la même rubrique

18-avril-2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Card image cap
18-avril-2025

Nilatsaka ny sazy ! Voaheloka 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 60 tapitrisa Ariary

Card image cap
18-avril-2025

Misaora an’Andriamanitra isika fa manana harena ahafahana mampandroso ny firenena,

Card image cap
18-avril-2025

Taorian’ny filazana fa tsy ekena ny fanalam-baraka ny Firenena, namafisin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian

Card image cap
17-avril-2025

Misolelaka amin’ny frantsay fotsiny no ataon’ny mpitondra antsika!»

Card image cap
17-avril-2025

Miverina indray ny fanjanahan-tany ?

Card image cap