a Ambohimahamasina Distrika Ambalavao, saingy nisy nafindra nankany amin’ny kaotin’olon-tokana. Nahitsy ny filazan’ity fahitalavitra iraisam-pirenena fijeren’ireo firenena eo anivon’ny Frankôfônia ity, fa toromarika avy amin’ny minisitry ny atitany sady praiminisitra ankehitriny, Solonandrasana Mahafaly Olivier, no namindrana io vola io amina kaontin’olon-tokana. Mpisafo raharaham-panjakana nomena iraka mba hamotopototra ny fandehan’io vola io, indray moa taty aoriana no niharan’ny fanasaziana nafindra toerana, rehefa nohadihadiana teo anivon’ny Filankevi-pifehezana. Azo antoka fa tena nangidy rora ny praiminisitra sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, manoloana ny fivoahan’io vaovao io, izay nanakoako naneran-tany, indrindra amin’ireo firenena frankôfôna. Ilay praiminisitra nilokaloka fa hiady amin’ny kolikoly, fahalovana mantsy no indro vaky ambatolampy ny zava-miafiny tany ambadika tany. I Madagasikara anefa amin’io, ato ankatoky ny hampiantranoany ny fihaonambe an-tampony in-droa miantoana dia ny an’ny vondrom-pifanakalozana ara-barotra COMESA sy ny an’ny vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay na Frankôfônia. Hatreto dia mangina tsy nanisy setriny an’io vaovao niely io ny ao Mahazoarivo. Ny fahendrena Malagasy moa milaza fa manaiky matoa tsy miteny, koa ho hita eo ! Etsy ankilan’izany, efa manomboka manako aty ivelan’ny lapam-panjakana ihany koa izao ny fiantraikan’ny fanomezan-dalana nataon’ny fanjakana hananganana “Mosquée” an’arivony manerana ny Nosy, izay mahagaga fa toa mifanontona amin’ny firongatry ny asa fampihorohoroana manerantany sy ny firongatry ny halatra lakolosy eto Madagasikara, ka lasibatra amin’izany ireo Fiangonana kristianina mivondrona eo anivon’ny FFKM. Ny minisiteran’ny Atitany, izay tazonin’i Mahafaly Olivier, ihany anefa no mpanome alalana hisokafan’ireny karazam-pikambanam-pivavahana ireny. Anisan’ny niteraka resabe ihany koa ny nanomezany fahazoan-dalana ny ECAM (Eglise Catholique Apostolique Malgache) tarihin’i DAMY Foliantsoa Augustin, manana ny foibeny any Bekily Androy. Niverin-dalana ny minisitry ny Atitany enim-bolana taty aoriana, ka nofoanany ilay didim-pitondrana nanome alalana io antokom-pivavahana io hisokatra. Asa na vokatr’ireo tranga ireo, fa mihamangatsiaka ny fifandraisan’i Mahazoarivo sy Iavoloha, ary misy efa manosika ny hanalana amin’ny toerany an’i Mahafaly Olivier aza, izay kendren’izy ireo hotanterahina amin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimiera roa tonta. Re ihany koa fa misy mpanolotsaina manokan’ny filoha tsy tafiditra an-dapa, fa hoe : “nanipy hoditr’akondro”.
Jean D.
Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…
Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa