airtel

Politique

18-juin-2026

Politika avo lenta

Niala ihany ireo mpikamban’ny HCC roa

Sample post image

Raha somary nangingina ilay raharaha

18-juin-2026

fanenjehana ara-pitsarana mikasika ireo mpanolotsaina ambony 4 eo anivon'ny HCC izay nangatahana fahazoan-dalana na "ordre de poursuites" tamin'ny Minisitry ny Fitsarana, dia miditra amin'ny fizarana manaraka ny tantara eo anivon'ny HCC. Nilatsaka tampoka ny vaovao omaly 17 jona 2026 maraina fa nametra-pialana ny mpanolotsaina ambony 2: Noelson William sy Randrasana Georges Merlin, izay samy solontenan'ny Antenimierampirenena. Efa saika hosoloin'ny Antenimierampirenena iray volana lasa saingy namoaka fanambarana fa tsy ara-dalàna ny fikasana hanala sy hanongana azy ireo satria tafiditra amin'ny antsoina hoe "mandat impératif" 7 taona ny an'ny mpikamban'ny HCC. Mazava ho azy fa nisy karazana fanoherana tamin’izany, saingy io niafara tamin’ny fialana io, izay mety azo adika fa misy antony goavana sy avo lenta. Fialana an-tsitrapo sa noho ny tsindry na fifampiresahana politika sy fifanarahana avo lenta? Ny alatsinainy 15 jona no efa nametra-pialana izy ireo, ka antony manokana avy aminy, raha ny filazan’ny Filohan’ny HCC Florent Rakotoarisoa. Ny desambra 2025 nandritra ny fanoloana ireo 3 natolotry ny Filoha teo aloha no efa nangotrangotraka ny Ambohidahy tamin'ny resaka niala, tsy niala,... ka ny niafarany dia nametra-pialana ary tafapetraka soa aman-tsara ny solony. Ireo vao niala ireo ireo indray, dia marihina fa efa niroso tamin'ny fikononkononana fifidianana anefa tao Tsimbazaza saingy nambara fa ahemotra amin'ny fotoana manaraka. Taorian'io ny afera niresahana fanenjehana ara-pitsarana an'ireo mpikambana 4 dia izy mirahalahy mianaka etsy ambony sy ny mpikambana 2 avy amin'ny Antenimierandoholona (Rojoniana Ranaivoson sy Antoine Rambohatrinimbola). Izy ireo izay samy voafidin'ireo rafitra soloana tena avy, tamin'ny fitondrana Rajoelina. Hanao ahoana ny mikasika ireo mpikambana roa hafa ?
MBOLA MISY SA EFA RAVA ILAY FANENJEHANA ARA-PITSARANA ?
Tsy misy zavatra sy tranga mandehandeha ho azy fa tena politika avo lenta ny zava-misy tahaka izao. Ny mety ho fisiana fanenjehana ara-pitsarana na tsia no mety hamaly ireo fanontaniana manitikitika hoe : nisy tsindry goavana sa nisy fifanarahana avo lenta? Ny Minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo, dia efa nanambara fa saika handray ho azo raisina ny fitoriana tsy azo raisina (irrecevable) napetrak’i Depiote Rajerison Antoine, izay nangataka ny hanonganana ny PRRM rehefa nampangainy ho manitsakitsaka ny lalàmpanorenana sy manao famadihan-tanindrasazana. Ity fitoriana ity dia mikasika ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo mpikambana efatra ao amin’ny HCC voatendry tamin’ny andron’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina, izay voalaza fa mikotrika korontana sy manohintohina ny filaminam-panjakana. Nambara ho voarohirohy tamin’ny raharaha fikasana hanakorontana. Namaly bontana tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny HCC, Ranesa Firiana, nilaza fa tsy voahitsakitsaka ny fisaraham-pahefana sy ny tsiambaratelon’ny Fitsarana, tsy azo henjehina noho ny heviny mikasika fandinihana raharaha hamoahana didy ny mpikamban’ny HCC,… Nanazava indray ny Minisitry ny fitsarana taorian’izay fa tsy ny fanapahan-keviny no hanenjehana ireo mpikamban’ny HCC fa ny mety fandikan-dalàna. Nilaza moa ny Filohan’ny Antenimierampirenena na ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko, "Tsy afaka havela hisy ny fahabangan-toerana eo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana fa hiroso avy hatrany amin'ny fifidianana izay hisolo tena ny antenimierampirenena, aorian’ny fampafantarana fahabangan-toerana avy amin'ny filohan’ny HCC sy ny filohan’ny fanavaozana". Hatreto aloha izany dia fanoloana olona no tena mandeha raha mikasika ny HCC sy CENI ka asa mbola hitsimbadika aorian’ny fikaonandoham-pirenena sa hijanona amin’izao ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

18-juin-2026

amin’ny ara-dalàna no tokony hapetraka!»

Card image cap
18-juin-2026

Mahay miasa aho ! », hoy ny Filohan’ny

Card image cap