tanteraka momba ny "accord" nisy tamin’ny 2013 sy 2018 ka izay no nampisara-dalana. Mbola niampy ny fandefasana nifidy ireo mpomba azy tamin'ny 2023 na dia nifanaraka tsara izao aza fa tsy hifidy. Ankoatra izay Mijoro ho Vavolombelona aho eto fa tsy misy kandida mitsindrona rôrô izany. Izay MARINA dia MARINA. », hoy i Tahina Razafinjoelina omaly. « Ny demokrasiantsika dia lasa afenina sy atao izay tsy hahalalan’ny vahoaka ny zava-misy hahafahana manjaka tokana eo amin’ny fitondrana. Nahasahy nijoro tamin’ny fahamarinana i Tahina Razafinjoelina rehefa niharan’ny fanafenana ny marina hatramin’ny 2013, 2018, 2023 », hoy kosa ny fanehoan-kevitr’i Dama Mahaleo. Tsy mila ady izy, ary raha ny toetra ahafantarako azy dia tsy mpihantsy ady, tsy mahay vava fa tena mihaino sy mandefitra izy. Rehefa nandeha ny fanaovana asa mivantana niaraka ny olona teny amin’ny Faritra iva dia nandeha ny sakantsakana tamin’ny fanadiovana lakan-drano, fametrahana jiro,… dia nandeha ny sakantsakana. Tena naneho ny hoe : aleo ny antsika no atao fa tsy mamaly ny fihantsiana. Teny an-dalana anefa, dia tafahoatra loatra ny fihantsiana, misy mahasahy ary tsy kaonty fako fa tambajotra ofisialy milaza fa jodasy, mpamadika, voakarama,… Betsaka isika no niharan’ny fanafenana ny marina fa i Tahina nahasahy nijoro nilaza ny marina, tsy fanakianana, tsy famingavingana velively fa filazana ny marina sy ny tantara, hoy hatrany i Dama. Notsipihiny, fa anisan’ireo olona tsy nomena fankasitrahana tamin’ny asa soa sy ny zavatra vitany teo anivon’ny TIM Madagasikara, tsy nisy ary tsy nitaky an’izany, fa hoe : tolona ity dia atao, kanefa ny valiny dia fanasoketana sy filazana fa mivadika. Izaho anefa, dia miteny hoe : misaotra an’i Tahina fa fanovana ngezabe ny fahasahiana miteny ny marina. Mila tohanantsika i Tahina, tohanantsika ry zareo satria tena tompon’ny fanovana tsy mitanila, hoy hatrany i Dama.
Toky R
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,