airtel

Politique

14-févr-2025

Politika sy jeopolitika

Mihazakazaka ny pimasontsika amin’ny Rosianina…

Sample post image

Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana

14-févr-2025

ampitain-davitra faharoa eo amin'ny parlemantera Rosiana sy Malagasy, raha ny fampahafantarana nataon’io Andrim-panjakana io. Nitarika ny fotoana sy nandray fitenenana ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko amin'ny maha Filohan'ny Vondrom-pinamanana Madagascar-Russie azy. Araka izany dia nitondra ny fisaorana izy noho ny ezaka rehetra hampiroboroboana hatrany ny fifandraisana eo amin'ny parlementera Malagasy sy Rosianam hoy hatrany ny tatitra. Fifanakalozana fahaiza-manao sy fizarana traikefa eo amin'ny Antenimiera roa tonta ; ny fanomanana ny fitsidihana ho ataon'ny parlemantera Malagasy any Rosia sy ny fivahinianan'ireo parlemantera Rosiana eto Madagasikara ; famaritana ireo tetik'asa hiarahana ; ary ny fametrahana ny Comité Mixte de Rédaction handrafitra ny rijan-teny mirakitra ny fifanaraham-piara-miasa na ny Protocole d'accord de coopération eo amin'ny Parlemanta roa tonta no nambara fa lahadinika. Misy dikany goavana amin’ny tontolo jeopolitika ny tahaka izao, ary tsapa ho manamafy ny fifandraisana amin’ny Rosianina isika. Vao tsy ela ihany koa ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny no nanao fanambarana niraisana niaraka tamin’i Rosia mikasika ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana eny an’habakabaka, vao andro vitsy ihany koa no nisiana antso nataon’ilay mpampianatra nosamborina tany Diego izay nilaza fa mizaka zom-pirenena Rosianina,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,

Card image cap
02-juin-2025

Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina

Card image cap
30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap