airtel

Politique

22-nov-2024

Politika sy raharaham-pirenena

Mila fahasahiana mijoro milaza ny misy sy marina

Sample post image

Tena hisy fa tsy hoe honohono ilay fandaharana manokana iarahana amin’i tahina Razafinjoelina

22-nov-2024

hanaovany ampamoaka momba ny tsiambaratelon’ny fanoherana sy ny fahantrana eto Madagasikara. Anio zoma 22 novambra amin’ny 9 ora alina moa izy io no handeha amina haino aman-jery maromaro sy tambazotra sosialy.
Maro loatra ireo fanontaniana manitikitika ny maro, fa eo ihany koa ny fanenjehana sy fanosoram-potaka izay tsy mitombina. Tena efa nandefitra an-taonany maro aho noho ny fanajana ny zoky sy raiamandreny noheverina fa tena hitondra ny fanovana sy fampivoarana teto, hoy i Tahina Razafinjoelina, saingy ankehitriny kosa anefa dia raisiko ho adidy ny miteny. Sahy aho ary mijoro, zava-misy no ho resahana hoy izy fa tsy hisy hamorona angano eto. Tsy maintsy atao izany satria mendrika ny hahalala ny fiainam-pirenena sy ny tontolo politika ny vahoaka.
Ankoatran’izay dia isan'ireo kandida ho ben'ny tanàna 5 nanaiky hiady hevitra eny amin'ny centre Arrupe EKAR Faravohitra ihany koa i Tahina Razafinjoelina rahampitso sabotsy 23 novambra tapany maraina. Ny hampahafantatra sy handresy lahatra ny mpifidy amin'ny vinam-piaraha-monina ijorona no anton'izany adihevitra izany. Hiresaka ny vina sy programanasa hitantanana ny kaominina ihany koa. Tsara ho marihina fa tsy handray anjara amin’ity adihevitry ny kandida ity ny kandida isany Gascar Fenosoa sy Tojo Ravalomanana nadia samy nahazo fanasana ofisialy aza.
RTT

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap