airtel

Politique

05-janv-2024

Politika sy raharaham-pirenena

Tsy afa-bela amin’ny PM Ntsay i Andry Rajoelina

Sample post image

Araka ny efa nampoizina, tafaverina amin’ny toerana maha Praiminisitra Lehiben’ny governemanta azy Atoa Ntsay Christian.

05-janv-2024

Efa Praiminisitra nanomboka ny 06 jona 2018 ny tenany, nametra-pialana ny 19 desambra 2023 fa mbola nanohy ny fanohizan-draharaha, ary izao voatendry izao indray. Izy no hitarika ny fanatanterahana ny vina voafaritra anatin’ny Programa ankampoben’ny Fanjakana na PGE. Nilaza i Andry Rajoelina Filoham-pirenena, fa mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana, mila olona mahafehy ireo asa fampandrosoana sy ny fanatanterahana ny vina,… Araka ny andininy faha-54 dia nanolotra anarana 3 ny solombavambahoaka ao anatin’ny vondrona maro an’isa. Misy mason-tsivana napetraka sy takiana ho an’ny Praiminisitra, hoy i Andry Rajoelina, ka noresahany tao anatin’izany ny fitantanana, haitarika, fifandraisana iraisam-pirenena. Tsy maintsy olona mahafehy ny fitantanana ankampobeny : diplaomatika, eknomomika, ny lalàna velona. Mametraka ny asa rehetra mifanaraka amin’ny tetibolam-panjakana amin’ny fanatanterahana ireo fanamby, ny vina voafaritra anatin’ny PGE. Manaraka ny asan’ireo minisitra amin’ny fanatanterahana ny PGE. Mila mahafehy ny fifandraisana iraisam-pirenena; mila mahay miady sy miaro ny tombotsoa ambonin’ny firenena amin’ny lafiny eknomomika. Mila mahafehy ny lalàna velona satria ny fanapahan-kevitra rehetra dia miainga amin’ny lalàna. Mbola nohamafisina tamin’ny hoe : Antony 3 lehibe : mila olona za-draharaha sy mahitsy ary tsy mivadi-pitokisana, mila olona mahafehy ireo asa fampandrosoana sy ny fanatanterahana ny vina, ary fahatelo hiatrika fifidianana solombavambahoaka hamaritra izay manana ny maro an’isa eo amin’ny antenimierampirenena. « Izaho dia tsy tia manovaova, ka ny fanapahan-kevitra izay horaisiko dia am-pahendrena, ahafahana manohy ny asa, hanatanteraka ny asa haingana », hoy i Andry Rajoelina izay nilaza fa izy 3 mianadahy mianaka nisafidianana dia samy manana ny fahaiza-manao. Nanambara fa zavatra maro no hiova amin’ny fitantanan-draharaha, olona nametrahana fitokisana ny Praiminisitra, ary mino sy manantena izy fa hametraka fiovana ity faran, tsy handefitra amin’ny sakana amin’ny fampandrosoana. Nanipika indray ny resaka fanafainganana ny raharaham-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly, ary tsy maintsy hatrehina ny ady amin’ny fahantrana. Hiroso amin’ny dingana manaraka, hifantoka amin’ny fisafidianana ireo ka nilazana fa mila olona madio sy mahitsy, miasa haingana, manana ny traikefa, tsy manao kolikoly. Manao sonia eo anatrehan’ny vahoaka. Mametra-pialana, tonga dia esorina rehefa tsy mahafehy ny asany,... Tsy efa nolazaina foana ve izany fa inona no niseho avy eo ?
TSY AFA-BELA
Raha tsiahivina, sahirana ny Governemanta Ntsay Christian tamin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Tany amin’ny fanolorana ilay hoe : PEM (Plan Emergence de Madagascar) ny janoary 2021 dia efa kofona, nihemotra sy tsy tanteraka, ka ny voalaza fa fanolorana an’io taty amin’ny oktobra 2022 aza toa nivadika hoe : fikaonan-doha tamin’ireo mpamatsy vola, saingy tsy hita izay tena vokatra. Ny desambra 2022 dia tratry ny fitsipaham-pitokisan’ny depiote noho ny antony maro izay nisy fiampangana 2 pejy ny governemanta : kolikoly, fitantanana mitotongana, tsy fahafehezana ny olana ara-tsosialy sy toekarena,… Tsy nampiongana azy izany, fa io tafaverina io ny Praiminisitra. Mbola tsy afa-bela amin’ny Praiminisitra Ntsay Christian izany i Andry Rajoelina ka asa indray izay ho fahagagana amin’ny endri-pitantanana sy fiovana lazaina fa hiseho ao anatin’izao 5 taona manaraka izao eo anatrehan’ireo olana goavana maro tsy voavaha sy vao mainka niombo tao anatin’ny 5 taona farany toy ny delestazy, fidangan’ny vidim-piainana, fitotonganana ara-toekarena, fitomboan’ny fahantrana,… ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap