avy, ahafahana miatrika ny fifidianana manaraka. Raha norarana mafy sy natao andrimaso mba ny Antoko TIM ny 08 oktobra 2022 teo tao Toamasina, tsy nahazo mivoaka ny Magro nandritra ny “rédynamisation”, dia nalalaka kosa ny TGV tany Fenoarivo Atsinanana tamin’ny hetsika nifandraika tamin’io. Nitohy ny sabotsy 15 oktobra tao Toamasina ny an’ny TGV, izay nomena alalana malalaka nidina an-dalambe. Nandeha ny vava tsy ambina samihafa tahaka ny hoe: “na inona na inona ataon’ialahy, resy ialahy”. Ny hafa firetina, atao izay tsy ahafahany mihetsika fa ny antokon’ny fitondrana kopahana mafy mba hanehoana sary fa tena mbola mamim-bahoaka. Tanjaka ve izany sa hakanosana? Mampiharihary ny fahalemen’ny fitondrana ankehitriny ireny, fandemen-tsaina hoenti-milalao ny saim-bahoaka fa tena mbola mahazaka olona ny mpitondra ankehitriny, ka lojika ny mety ho mbola fahalaniany ny sary tiana haseho. Natao mba hanakonana ny teti-dratsy sy halatra samihafa mety hiseho amin’ny fifidianana. Efa samy mailo ny rehetra, efa miandry sy miantrana, ambony ny tsindry politika ankehitriny. Asa hoe: mbola hahomby ve ny don-tandroka sy ny tetika politika avo lenta ?
Toky R
Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,
Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,