airtel

Politique

16-mars-2023

Politique

Pr Ange Andrianarisoa “Tsy mbola mizotra amin’ny fifanarahana politika isika”

Sample post image

Mitana ny teniny ny antoko politika Arema, hoy ny sekretera nasionaly lefitra, Pr Ange Andrianarisoa, hoe tsy maintsy hanana kandida amin’ny fifidianana rehetra eto amin’ny firenena.

16-mars-2023

Tenin’ny filoha mpanorina ny antoko, Didier Ratsiraka, izany tamin’ny fankalazana ny faha 38 taonan’ny antoko tao amin’ny kianja mitafon’I Mahamasina, hoy izy. Manana kandida izahay noho izany, manomboka amin’ny filoham-pokontany hatramin’ny filohan’ny repoblika. Mbola tsy niova fotokevitra hatramin’ny taona 1976 hatramin’izao ny Arema. Nanome tolo-kevitra ny CENI dia ny 9 novambra mikasika ny datim-pifidianana fa miandry isika ny fanapahan-kevitry ny governemanta. Izahay tato amin’ny Arema dia nangataka ny sekretera nasionaly, Annick Ratsiraka, mba hirotsaka ho kandida filoham-pirenena saingy mbola tsy namaly moa izy. Mbola tsy naheno resaka fifanarahana politika koa hatreto ny Arema saingy miankina amin’ny zava-misy ihany io. Tsy maintsy mijery ny mahasoa ny vahoaka koa ny tena mpanao politika. Ny fahitako azy hatreto aloha, tsy mbola mizotra amin’izany fifanarahana politika izany isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap