omaly ny Pr Harilala Joseph. Raha azo hatao re hoy izy dia ajanony aloha io fianianana izay hampanaovinareo an ' Atoa Andry Rajoelina amin 'ny faha 16 Desambra io fa tsy sitrak ' Andriamanitra mihitsy ny fahefana alaina an - keriny izay azo tamin 'ny tsy fahamarinana ! Aza adino fa an ' Andriamanitra ny fahefana ary tena mahasarotiny Azy raha toa ka viraviraina sy hangalarina toy izao hanaovanareo azy izao hoy izy. Fa hoy indrindra mantsy ny voasoratra ao amin 'ny ( Jaona, 10 ; 1 ) manao hoe : Hoy Jesosy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin 'ny vavahady ho amin 'ny valan ' ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy. Koa araka izany dia Jesosy Kristy no vavahadin ' ondry, fa mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohany, araka izay voasoratra ao amin 'ny ( Jaona, 10 : 7 - 8 ). Koa eo anatrehan ' izany tenin ' Andriamanitra velona izany no hanantintranterana aminareo ry HCC sy Atoa Andry Rajoelina ny hoe : atsaharo io fianianana tsy marina io, fa ho avy amin 'ny herin’iTompo, ka sao hiharan 'ny fahatezeran ' Andriamanitra hianareo. Fehiny : Samia isika mandinika sy misaina tompoko, fa hoy Jesosy : Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy ; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy ; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. Indro, avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany. Voasoratra izany ao amin 'ny ( Apok, 22 ; 11 - 12 ) hoy hatrany ity pastera iray ity.
Pati
Legende : Pr Harimalala Joseph !
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny