izany hoe raha mbola manao kitoatoa isika mifidy ireo hafa firenena, dia mbola zava-doza noho izao no hahazo antsika, mbola hitombo ny fanapahan-doha sy ny fangalarana voamaso, hitombo ny tsy fihinanan-kanina ary hanjakazakan'ny Frantsay isika ary tadidio fa matoa nataon'ny Frantsay izay nanesorana ny filoha Ravalomanana tamin'ny Fitondrany dia mba hitsetsefany ny harem-pirenena Malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Pr Harimalala Joseph. Taiza, hoy izy, no mbola nisy volamena nivadika vy? Taiza no nisy volamena tapitra aondrana ary izao indray dia hoe: hanaovana vola dimampolo ny volamena? Nilaza ny tenany, fa efa nahita izany isika, dia tsy tokony hifidy filohampirenena hafa fiaviana. Olona Zanak’i Gasikara, tantsaha, izany no tokony hanankinantsika ny safidintsika. Mampalahelo ny nahazo ny Malagasy ka dia mitodika amin'ireo mpitondra fanjakana noho izany ny Pr Harimalala Joseph, mba hieritreritra sy handinika fa leo ny vahoaka Malagasy, ho avy ny ampamoaka, raha ny nambarany.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny