airtel

Politique

07-janv-2026

PR JOSEPH

"Tsy valifaty politika no hataon'ny

Sample post image

minisitry ny fitsaràna fa fandalana ny fahamarinana"

07-janv-2026

Tsy reraka maneho hevitra ny Pr Joseph mpanompon'Andriamanitra sady mpandinika raharaham-pirenena manoloana ny zava-misy ankehitriny. Tokony hanaiky ny fandaminana izay hataon ' ny mpitondra sy ny fitsarana isika rehetra sy hianareo mpomba ny fitondrana Rajoelina hoy izy amin'izao taona vaovao 2026 izao fa tsy hanohitra be fahatany fotsiny. Tsy valifaty politika ny ataon 'ny Minisitry ny fitsarana fa mikatsaka ny hanjakan 'ny fahamarinana izy mba tsy hisian 'ny tsy maty manota eto amin ' ity Madagasikara hiombonantsika ity intsony. Mahereza hianareo mpitondra ankehitriny sy ny Minisitry ny fitsarana ny amin 'ny fikatsahana ny hanjakan 'ny fahamarinana, ary aza mihemotra tompoko, fa hoy ny tenin ' i Jesosy araka izay voasoratra ao amin 'ny (Isaia, 41 ; 10 - 11) manao hoe : Aza matahotra ianao fa momba anao Aho ; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao ; mampahery anao Aho sady mamonjy anao ; Eny, mitantana anao amin 'ny tanana an - kavanan 'ny fahamarinako Aho. Indro, ho menatra sy hangaihay izay rehetra tezitra aminao, ho tsinontsinona izy ; Eny, ho levona izay miady aminao. Koa araka izany dia, adidy masina napetrak ' Andriamanitra aminareo ny fanafohanana ny tsy maty manota sy ireo ratsy fanahy izay nampahory ny vahoaka Malagasy, koa mahereza indrindra tompoko, fa hoy ny tenin ' Andriamanitra ao amin 'ny (Ohabolana, 10 ; 7) manao hoe : Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina ; Fa ho lo ny anaran 'ny ratsy fanahy.
Pati
Légende : Izy no Pr Joseph aminy !

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap