Mitombona mihitsy, hoy izy, ny nambaran’ny mpandraharaha malagasy hoe maninona no tsy avela hiasa malalaka ny malagasy hampihatra ny tolotra sy tinady? Niafara moa izy izao amin’ny fisafidianana ireo mpandraharaha afaka hanondrana ny lavanilintsika any ivelany. Lasa fehezina izany ny vidin’ny lavanilina izay mifanipaka amin’ny tolotra sy tinady. Tonga avy hatrany ny ahiahin’ireo mpandraharaha nosakanana. Mpandraharaha koa moa ny minisitry ny varotra. Raha tiantsika ny hisian’ny tolotra sy tinady dia tsy tokony sakanana hanao izany ny mpandraharaha. Fifaninanana tsinona no atao hoe tolotra sy tinady fa tsy hitovy amin’ny ataon’ny sehatry ny solika eto amintsika. Misintaka ny fanjakana. Ny dikan’izay dia hifaninana ny sehatra tsy miankina. Tokony hifaninana koa ny tobin-tsolika dia izay mora no vidian’ny olona. Tsy mihatra eto ny lalanan’ny tolotra sy ny tinady amin’ny vidin-tsolika fa karazana ampihimamba no misy. Izay no atahoran’ny mpandraharaha koa amin’ny resaka lavanilina. Misy ny ampihimamba ataon’olom-bitsy, hoy ry zareo. Anjaran’ny fitondram-panjakana izany no manazava ny sain’ny olona, indrindra, ny mpandraharaha mba tsy hiteraka lonilony na fahakiviana eo amin-drizareo ireny. Raha vidiana ambany any amin’ny tantsaha mpamokatra tsinona ireny dia ho voa mafy ny mpamokatra. Amidy lafo be ilay izy avy eo dia misy karazana fanambakana ao anatiny. Tokony ho tonga saina koa ireo mpandraharaha mpanelanelana mividy ireny, hoy hatrany ny tenany. Ampahatsiahivina moa fa azo lazaina ho nihena sasaka, izany hoe, lasa 66 isa ny alalana mandraharaha lavanilina nivoaka teo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny indostria tamin’ity taona ity raha toa ka 124 tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 300 isa anefa ireo fangatahana alalana voaray.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,