airtel

Politique

07-janv-2025

Praiminisitra Ntsay

Tsy manaiky korontana fa manome rariny ny fampahantrana ?

Sample post image

Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny fampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy ho

07-janv-2025

amin’ny tsara kokoa hatrany. Izany no nametrahana ho isan’ny laharampahamehana ao anatin’ny fandaharan’asam-panjakana sy ny tetibola hiasana mandritra ity taona 2025 ity, ny fizakana ireo filàn’ny mponina andavanandro, hoy ny tatitry ny Primatiora taorian’ny fananganan-tsaina voalohany natrehin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly alatsinainy 06 janoary 2024 teny Mahazoariavo. Nambara fa ao anatin’izany ny fisitrahana araka ny tokony ho izy ny jiro, ny rano, ny fanamboaran-dalana, ny ezaka sy tetikasa rehetra hahatongavana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo, izay nambara fa anisan’ny teboka lehibe nasongadin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny hafatra nampitainy tamin’ny fifaranan’ny taona 2024. Samy manana andraikitra amin’ny fanatratrana ireo tanjona goavana ireo ao anatin’ny fitoniana sy filaminana ny tsirairay, ka izany indrindra no nanamafisan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, ny tokony hametrahana ity taona 2025 ity ho “Taonan’ny Filaminana”, hoy hatrany ny tatitra. Nambarany noho izany, fa melohina tanteraka ny fambolena ny kolontsain’ny herisetra sy fanakorontanana ny Firenena na amin’ny endriny mivantana izany na ankolaka. Ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny fihavanana sy ny fifampitsimbinana mba hahatanteraka ny vinam-pampandrosoana hoy ihany izy, no tokony ho tarigetra iombonana. Fa inona izany no vaindohan-draharahan’ny fitondrana hatramin’izay no izao vao hoe : hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy ? Amin’ny fomba ahoana fa efa ela ihany koa no nilazan’ny fitondrana ankehitriny fa hiady amin’ny fahantrana saingy miha fadiranovana hatrany ny valalabemandry ? Zary lasa firesaka ny hoe : ilaina ny filaminana sy fitoniana, tsy ekena ny fanakorontanana, efa miasa ny governemanta,… fa moa tena nisy ve ny sakantsakana tsy nahafahan’ny fitondrana niasa hatramin’izay raha ho an’ny lafiny politika ? Moa tsy avy amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana sy ny setrasetra politika samihafa ve no mety hiteraka tsy fitoniana politika eto raha tsy hilaza afatsy ny fifidianana maloto sy feno hosoka, fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny delestazy tsy mety resy fa hanaovana fampanantenana poakaty lava,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap