airtel

Politique

07-janv-2025

Praiminisitra Ntsay

Tsy manaiky korontana fa manome rariny ny fampahantrana ?

Sample post image

Vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny fampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy ho

07-janv-2025

amin’ny tsara kokoa hatrany. Izany no nametrahana ho isan’ny laharampahamehana ao anatin’ny fandaharan’asam-panjakana sy ny tetibola hiasana mandritra ity taona 2025 ity, ny fizakana ireo filàn’ny mponina andavanandro, hoy ny tatitry ny Primatiora taorian’ny fananganan-tsaina voalohany natrehin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly alatsinainy 06 janoary 2024 teny Mahazoariavo. Nambara fa ao anatin’izany ny fisitrahana araka ny tokony ho izy ny jiro, ny rano, ny fanamboaran-dalana, ny ezaka sy tetikasa rehetra hahatongavana amin’ny fahavitantena ara-tsakafo, izay nambara fa anisan’ny teboka lehibe nasongadin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny hafatra nampitainy tamin’ny fifaranan’ny taona 2024. Samy manana andraikitra amin’ny fanatratrana ireo tanjona goavana ireo ao anatin’ny fitoniana sy filaminana ny tsirairay, ka izany indrindra no nanamafisan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, ny tokony hametrahana ity taona 2025 ity ho “Taonan’ny Filaminana”, hoy hatrany ny tatitra. Nambarany noho izany, fa melohina tanteraka ny fambolena ny kolontsain’ny herisetra sy fanakorontanana ny Firenena na amin’ny endriny mivantana izany na ankolaka. Ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny fihavanana sy ny fifampitsimbinana mba hahatanteraka ny vinam-pampandrosoana hoy ihany izy, no tokony ho tarigetra iombonana. Fa inona izany no vaindohan-draharahan’ny fitondrana hatramin’izay no izao vao hoe : hampiakatra ny fari-piainan’ny Malagasy ? Amin’ny fomba ahoana fa efa ela ihany koa no nilazan’ny fitondrana ankehitriny fa hiady amin’ny fahantrana saingy miha fadiranovana hatrany ny valalabemandry ? Zary lasa firesaka ny hoe : ilaina ny filaminana sy fitoniana, tsy ekena ny fanakorontanana, efa miasa ny governemanta,… fa moa tena nisy ve ny sakantsakana tsy nahafahan’ny fitondrana niasa hatramin’izay raha ho an’ny lafiny politika ? Moa tsy avy amin’ny tsy fahombiazan’ny fitondrana sy ny setrasetra politika samihafa ve no mety hiteraka tsy fitoniana politika eto raha tsy hilaza afatsy ny fifidianana maloto sy feno hosoka, fidangan’ny vidim-piainana tsy voafehy, ny delestazy tsy mety resy fa hanaovana fampanantenana poakaty lava,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap