airtel

Politique

05-déc-2024

Raderanirina Sendrison

Mpiara-dia miafina sa mpifaninana ny IRMAR sy TIM?

Sample post image

Toa ohatry ny nohamafisin'ireo fizotran’ny famelabelaran-kevitra-adihevitra kominaly Antananarivo tao amin'ny Centre Aruppe MDG Faravohitra

05-déc-2024

ny 23 Novambra 2024 sy ny tetsy amin'ny lapan'ny tanàna Analakely ny 1 desambra 2024, ny ampamoaka nataon'i Tahina Razafinjoelina kandidà laharana faha-2 nilaza fa misy manao fifanarahana miafina, hoy ny kandida Filoham-pirenena farany teo Raderanirina Sendrison. Mikasika ny fifidianana eto Antananarivo, nohazavainy fa tamin'ny famelabelarankevitra-adihevitra voalohany dia 5 amin'ireo kandidà 7 ho ben'ny tanànan'Antananarivo no tonga nanome hasina ny mpifidy. Tsy nisy tonga na ny kandidan'ny IRMAR Harilala Ramanantsoa na ny an'ny TIM Tojo Ravalomanana. Toy izany koa tamin’ny faharoa, satria na teo aza ny vata-tenan'ny kandidà IRMAR dia tsy nety namaly ny fanontaniana lehibe indrindra hoe: "hiaraka hanao sonia amin'ireo kandidà 5 hafa ve ianao hanery ny CENI hamoaka ny lisipifidianana hiadiana ny hosoka amin'ny fifidianana". Ny hafatra nentiny aza dia ny hoe « normal » raha ny iray amin’i Harilala Ramanantsoa sy Tojo Ravalomanana no ho lany Ben’ny tanàna, hoy ny fampahatsiahivan’ity mpanao politika ity. Notsiahiviny, fa herintaona toy izao no nifidy filohan'ny repoblika isika ka tamin'izany no efa nanazavan'ny kandidà laharana faha-11 natolotry ny antoko Fy-M nandritry ny fampielezankevitra fa "ekipa iray ihany ireo roa ireo", ka nilazany fa niandry ny ampamoakan'ny kandidàn'ny Tia Tanindrazana Tahina Razafinjoelina vao taitra ny malagasy.
NY 11 DESAMBRA 2024 ANDRO-PIFIDIANANA, HO MANAN-TANTARA SA TSIA ? Andro omena ny vahoakan’Antananarivo hisafidianany ny Fanovana, ka moa ve ho sahy tsy hifidy ireo kandidàn’ny antoko roa izay iray ihany nifandimby nitondra teto Iarivo, eny hatramin’ny taranany ankehitriny? Ho raiketin’ny tantara sa handalo fotsiny toy izay niseho hatreto ny datin’ny alarobia 11 desambra 2024, sa ho ny omaly tsy miova ihany ? Ny safidinao mponin’ Antananarivo no hamaritra izany, hoy hatrany Raderanirina Sendrison.
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap