airtel

Politique

08-févr-2023

Politique

Raharaha 7 febroary Tsy mba henjehin’ny eritreritra mihitsy ve ?

Sample post image

Tahaka ny isan-taona dia nisy ny fanamarihana ny faha-14 taonan’ny 7 febroary 2009 notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny Antananinarenina ny andron’ny omaly.

08-févr-2023

Isan’ny nambarany tao anatin’izany ny hoe: “Androany dia hamela ny helok’ireo nanao ratsy tamintsika fa Andriamanitra no mamaly ny ratsy sy ny helok’izy ireny fa isika amin’ny maha olombelona dia hamela ny helok’izy ireny mba hanamaivana antsika. Ny vavaka izay ataontsika isan’andro dia hotanterahintsika, izay no ahafantsika manadio fo sy miroso ao anatin’ny fihavanana sy ny fitiavana”, hoy ity Filoha ity, izay nitsodrano ny olona hanani-dapa tamin’izany fotoana izany. Nilaza fa tsy manadino ary nampahatsiahy ny tompon’andraikitra isan-tokony na ny olom-boafidy na olom-boatendry fa matoa nijoro dia nisy tolona natao, nisy aina nafoy, ka tsy hivadi-belirano, hoy I Andry Rajoelina. “Tsy hanaiky hosarantsarahana fa atambatry ny fitiavan-tanindrazana, tsy hanaiky hohakiviana fa hijoro hatrany hampandroso ny firenena; Rehefa manana finoana tsy maintsy tafita, ho resy ny fahavalo, ho resy ny fahantrana, tsy maintsy handroso ny firenena,… Tsy ho raraka tany ny an’ireo izay latsaka teto amin’ity toerana ity! Rehefa misy fanapahan-kevitra dia ny tolona no tsaroana voalohany”, hoy hatrany I Andry Rajoelina. 14 taona izay no lasa fa manao ahoana ny fiaianam-bahoaka ankehitriny? Tena tolona nitondra tany amin’ny fanavotam-pirenena tokoa sa tetika politika nentina nanaovana sorona aim-bahoaka mba hahazoana fahefana? Hatreto matimaty foana tahaka ny valala nosamborim-boka ireo vahoaka novoina teny Ambohitsorohitra. Niaraha-nahalala ary notaterin’ny fampahalalam-baovao vahiny ny hoe: tsy maintsy lotoina ny Filoha tamin’izany dia I Marc Ravalomanana hoe: “Ravalomanana mpamono olona”, “Ravalomanana Criminel”,… Nisy ny fanamelohana an-dRavalomanana tamin’ny tetezamita, fa afaka nirotsaka hofidiana ny 2018, ary voalaza ihany koa fa ny fitsarana iraisam-pirenena aza nanafaka azy. Nahoana no tsy nisy tohiny intsony ny raharaham-pitsarana ny 07 febroary rehefa samy teto ny mpisehatra politika nifanohitra tamin’izany? Nisy ihany koa ny ampamoaka nataon’ireo isan’ny tena mpisehatra na “acteurs” tamin’izany tahaka ny Kolonely Charles Andrianasoavina, ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana izay efa nodimandry moa,… Milaza fa mamela heloka izay nanao ratsy taminy ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany araka ny kabariny omaly fa moa tsy mba manenjika ve ny eritreritr’izy ireo tamin’ny zavatra nataony teto amin’ny firenena? Ny tsikaritra, toa miezaka milalao ny fom-bahoaka sy manadio tena hatrany ny olon’ny tetezamita tarihin’ny Filoha ankehitriny, tsy arakaraka ny lokaloka politika tamin’izany ny fiainan’ny Malagasy fa nitotongana ambony ambany,… Anjaran’ny Malagasy no maka lesona amin’ny tantara, ary mila mamantatra ny tena tantara marina fa tsy ho voafitaka sy ataon’ny olona fitaovana lava.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap