airtel

Politique

20-déc-2022

Politique

Raharaha mafampana ao Toliara Havoaka anio i Andry Biahary ?

Sample post image

Tapitra ny fe-potoana 48 ora nomen’ireo Tokobetelo ikambanan’ny foko Tanalana 3 dia ny Tevondrone, Temilahehe sy Temitongoa sy ny fianakavian’I Andry Biahary,

20-déc-2022

ny mpino silamo, miampy ireo mpisitraka tombotsoa aminy, mba hamoahana azy sy hamerenana azy ao Toliara, taorian’ny nisamborana azy ny 15 desambra teo, ary nentina nogadraina ao amin’ny fozan’Ankazondrano Fianarantsoa, nanomboka ny 16 desambra. Raha hiverenana, isan’ny antony nisamborana azy ny fanaovana tsikera sy fampanenoana lakolosy, ka isan’ny lehibe tamin’izany ny raharaha “trottoir” voalaza fa ana teratany karana, izay nambarany fa misy tafiditra amin’ny arabe. Naneho fa tsy manaiky amin’ny tsindrihazolena sy ny tsy rariny atao amin’ny Malagasy ao Toliara ny tenany. Fisamborana no setriny, ary voalaza fa ao ambadik’izany ilay teratany vahiny. Omaly, nanao fanambarana indray ireo mpanohana azy ka naneho fa niantso ny Fanjakana amin’ny hamotsorana an’I Andry Biahary. “Vonona izahay hananatra azy raha misy ny tsy mety izay nataony”, hoy ireo Raiamandreny ao Toliara. “Raha tsy mazava ny resaka dia eto indray isika, ny tanjontsika dia Biahary tafaverina eto. Tsy any Fianarantsoa irery no misy tribonaly na fitsarana fa misy ihany koa eto”, hoy kosa Atoa Sazalahy Tsianihy, Mpitarika ny RMDM ao Toliara. Tsy tokony hifanao an’izao, lasa eritreretinay fanivahivana ny fitakiana ataonay ny fihetsikareo, hoy ireo mpiara-dia aminy. Naneho ny Mpianatra sasany ao Maninday, fa olon-tsotra sady akaiky ny vahoaka ity nosamborina ity. “Manantena ny fahendren’ny mpitondra mba hivoaka, raha tsy mivoaka izy dia handray fepetra izahay, hanao barazy…”, hoy ny fanambarana. Nanao be fiavy teny anoloan’ny Lapan’ny tanànan’I Toliara moa ireo olona, ary efa niantrana teny ny mpitandro ny filaminana. Manambana ny hiditra amin’ny fitakiana mafimafy kokoa ireo mpanohana an’I Andry Biahary, eo anatrehan’ny tsy famoahana azy. Mafanafana noho izany ny ao Toliara.


Raha ny vaovao vonjimaika azo halina, dia nisy ny fanomezan-toky sy “décharge” nataon’ny mpitan-kazomanga Marin teny amin’ny Prefektiora fa tena hananatra an’I Andry Biahary ka mety havotsotra rahampitso ny tenany. Andrasana anefa raha izay tokoa no hiseho anio na zavatra hafa!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap