airtel

Politique

24-févr-2022

Politique

Raharaham-pirenena Mikorontana tanteraka ny Fanjakana

Sample post image

Fahamatorana ara-pitantanana tsy misy, fitoniana tsy mipetraka, fampandrosoana sadasada ny laharam-pahamehana, programam-panjakana misavoamboana sy tsymisy famatsiam-bola

24-févr-2022

, ny politika mikorontana sy miady an-trano, ny fitantanana firenena hanjakan’ny afera sy ny kolikoly,… Miseho avokoa ny hadalana tsy nisy tao anatin’ny 60 taona, ary mitombina hatrany ilay hoe: “Ny mpanakorontana tsy mahay mandamina”. Sahirana mandamina, saingy ny fikitihana governemanta aza manahirana mafy, ka tsy raikitra omaly indray. Tsy ny mpanohitra mihitsy no olan’ny Fitondrana ankehitriny, fa izy samy izy dia efa tsy milamina, ary fatoran’ny ataony. Tsy misy fidinanana an-dalambe eto, tsy misy mpanohitra manakantsakana ny Fanjakana tsy hiasa fa mitsikera tahaka ny fitsikerana rehetra, na ny Lehiben’ny mpanohitra Atoa Marc Ravalomanana aza nangingina sy tsy naneho hevitra firy tato ho ato. Raha ny mpitondra ankehitriny anefa no teo amin’ny fanoherana, mety efa raikitra ny fanonganana sy ny filanjana vatam-paty. Tsy ny mpanohitra mihitsy no olan’ny Fitondrana, fa ilay fanjakana mihitsy no efa mikorontana sy tsy marin-toerana. Saika isan-kerinandro no ahenoana laza ratsin’ny mpitondra. Olom-boafidy mibetroka sy mitandroka mpampianatra, izay manaratsy endrika ny TGV-MAPAR sy ny Fanjakana. Misy olom-boafidy avy eny Atsimondrano voalaza fa tsy mitovy hevitra sy efa nisaongaojy tamina depiote lehilahy iray eto Antananarivo Renivohitra, kanefa samy olon’ny IRD izao. Vadina minisitra mitandroka jeneraly, minisitra miady amin’ny artista eo ambany fiahiahiany. Depiote IRD mifampitandroka amina minisitra mivady ao anatin’ny governemanta, ary tena maneho amin’ny Fanjakana eo anatrehan’ny zava-misy hoe: aza atosika ho any amin’ny mpanohitra izahay. Ny olom-boafidy IRD sy ny Filoham-pirenena mivantana no manenjika depiote IRD lany tany Ikongo hatrany noho ny fahatsapan’ity farany sy fanehoany ampahibemaso fa tsy laharam-pahamehana ny teleferika. Minisitra tao anaty governemanta voatonona amina afera avo lenta, ary mbola misy maromaro voatonontonona ao. Olom-boafidy IRD voatontonona amina trafikana harem-pirenena. Tany aloha dia efa nisy ny hoe: depiote mifampilako ain’ny ben’ny tanàna. Manaratsy endrika an-dRajoelina ireny rehetra ireny, ary mampalemy hatrany ny Fanjakana. Manampy trotraka izany ny politika avo lenta misoko ao anaty Fanjakana ao, ka tsy hay intsony izay tena mbola namana sy mody naman’ny Filoha.
AFATOTRY NY BIZIM-PANJAKANA…
Ny raharaha avo lenta mombana afera sy kolikoly ary ny tsy fangaraharaham-pitantanana mbola manepotra ilay Fanjakana. Nankaiza ny tohin’ny trafikam-bolamena maro toy ny 73,5 kg sy ny 49kg? Nilaza aza ny Minisitry ny fitsarana teo aloha fa 2 taonina no nokasaina haondrana. Ahoana ny tohin’ireny? Manao ahoana ny momba ireo olom-panjakana sy olom-boafidy voantonontonona? Ny raharaham-pitantanana, dia iny natsikafon’ny Fitsarana momba ny kaonty iny andiany voalohany tamin’ny fanadihadihadiana lalina momba ny fitantanana ny volan’ny covid-19. Nahatratra 440 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar teo ny vola notantanana, saingy maro ny fitantanana tsy mazava ahiana ho feno raharaha kolikoly avo lenta. Misy fanadihadiana na olona nosamborina ve tamin’izany hatreto? Naman’ny vitavita ho azy,izay maneho toa maneho fa tena mandeha ny bizim-panjakana. Mihevitra ny mpitondra fa ho vitavita fotsiny sy hangina ho azy ireny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap