Eto avokoa ireo Lehiben’Antoko lehibe telo voalohany teto amin’ny tany sy ny Fanjakana, ireo telo voalohany tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo. Ireo aloha hatreto no heverina fa mbola mibahan-toerana amin’ny politika eto, ary vao andro voalohany ny sabotsy teo, toa efa samy nanao fampisehoan-kery ara-politika. Ny HVM nanamarika ny fahatongavan’Atoa Hery Rajaonarimampianina tetsy amin’ny Foiben-toerany tetsy Andraharo rehefa nisy ny sakantsakana teny Ivato. Nanipika I Hery Rajaonarimampianina fa tao anatin’ny 4 taona tsy naha teo azy, dia nisafidy ny nandeha ho fanajana ny sata Repoblikana sy ny fenitra demokratika. “Efa tonga ny mpandimby dia aleo izy hiasa an- kalalahana. Dia anjarany ny tompon'andraikitra amin'izay zava- misy eo”, hoy izy. Naneho sy nanipika kosa fa tsy nanao sesin-tany ny tenany. “Be dia be ny asa nataoko tany, be dia be ny iraka nampanaovin'ireo vondrona iraisam- pirenena ahy ary dia izao anefa, isan'andro isan'andro dia izao mahatsiaro ny firenentsika. Ka dia androany aho eto, tonga hijery, tonga hihaino, tonga hitafa, tonga hiresaka, dia aleo aloha izay no hataontsika dia mbola hihaona eo ihany”, hoy I Hery Rajaonarimampianina. Tetsy ankilany, nifampiarahaba tetsy amin’ny Espace Yandy By Pass Alasora ihany koa ny TIM. Fifampiarahabana tratry ny taona sy nanomezana sy nandraisana toromarika ho an’ny mpikatroka. Miantso ny olony hanaraka toromarika I Marc Ravalomanana satria efa nilaza ny CENI fa hisy ny fifidianana amin’ny 09 novambra 2023. “Ho hita eo raha hisy ny fihodinana faharoa, fa tsy hisy an’izany”, hoy I Marc Ravalomanana naneho tamin’ny olony, fa handresy. Nanamafy anefa fa tsy azon’izy ireo antoka, ary tsy ekena raha izao ny rafitra hikarakara ny fifidianana na teo aza ny famoahana vinana tetiandro. Nanitrikitrika fa misy ny tetidratsy amin’ny fifidianana, ka mitaky lisi-pifidianana madio. Nanakiana mafy ny fitondrana ankehitriny fa tsy lahatra ny fahantrana fa ny fitondrana amin’izao no tsy mahay sy manandrakandrana. Tena mahantra ny vahoaka, hamonjy aho, fa mila miezaka isika fa mila maka fahefana aloha ahafahana manova ny zava-misy. Tsy tokony ho kivy fa mila manana fanantenana, hoy I Marc Ravalomanana, izay nilaza fa hitondra fanantenana vaovao. Niantso ny olony tsy hanaiky hofendrofendroina sy hambakaina amin’ny vola kely tsy mankaiza. Tamin’io sabotsy io ihany, nanaho hetsika tany Mahajanga ihany koa ny Filoha Rajoelina sy ny ekipany. Naneho fa akaiky ny vahoaka sy mitsinjo ny Malagasy ao anatin’ny fahasahiranana. Nitohy ny fizarana sakafo sy hani-masaka, moto, masomboly, fizahana ara-pahasalamana,… Miezaka maneho an-tsary fa tena mbola mamim-bahoaka sy akaiky ny fon’ny olona. Miezaka mametraka tandindona sy manao pimaso amin’ireo olom-boafidy eny ifotony tahaka ny fizarana moto ho an’ny ben’ny tanàna, izay tranga efa nisy tamin’ny vanim-potoana nialohan’ny nialan’ny HVM, saingy tsy araka izay ny vokatra. Hahomby sy hanarona ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina tao anatin’ny 4 taona ve ny fikofokofohana ao atain’ny 6 na 7 volana farany?
Na tiana na tsy tiana, sokajiana ho mbola eo am-pelantanan’izy telo ireo aloha ny tontolo politika eto raha tsy mahita tetika tena tsy ampoizina izay mety ho hery fahaefatra, na koa mety hisy ny tsimbadika politika avo lenta tsy ampoizina. Any amin’ny 2028 vao mety hisy hirika ho an’ny hafa.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,