lalàna, fitsipi-dalao politika,… tsy maintsy ho tonga any amin’ny fifidianana isika na ho ela na ho haingana. Ireo ankolafin-kery ara-politika avy amin’ny mpanohitra rahateo mivoy fa tsy ekena ny finiavana sy ny tetika hanitarana ny taom-piasan’izao fitondrana izao, ka hikotrehana tetezamita. Raha tarafina amin’ny zava-misy, kely ny herijika mbola hahalany indray ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina. Betsaka ny lesoka sy fahadisoam-panantenena, ny efa tsy nifidy azy dia tsy ho resy lahatra mihitsy handeha handrotsa-bato azy amin’ny ankapobeny, ny nifidy azy hihena noho ny fahadisoam-panantenana,… "Ny vaton'ny olona nifidy azy tamin'ny 2018 ka leo azy ankehitriny dia efa ampy tsy hahalany azy, fa asaivo milatsaka foana anefa izy mba ahafantarany azy satria mety tsy mino izy, fahanan'ny mpomba azy lainga loatra izy", hoy ny Depiote IRD teo aloha Atoa Tody Arnaud. Ny fifidianana farany tamin’ny 2018 aza moa dia efa tsy naha marin-toerana azy nanomboka ny febroary 2020, ny ampamoaka nataon’ny Filoha lefitry ny CENI tamin’izany Atoa Thierry Rakotonarivo izay nilaza fa nisy anarana sy karapanondro niverin-droa nahatratra 1 200 000 ka velona teo nanomboka teo ny hoe: lany tamin’ny “doublon”. Nahazo vato 2,5 mahery kely izy, raha toa ka 2 tapitrisa mahery ny an’I Marc Ravalomanana. Ho sarotra ho azy ny 2023 raha fifidianana madio. Ny sary politika misy, dia ny faritra isan’ny voalaza fa nahazoany vato betsaka no mety ho votsotra: ny tapany avaratra diso fanantenana tamin’ny lavanila nolazaina fa hakarina avo telo heny, ny tapany atsinanana misy mpanao politika sokajiana ho lehibe niara-dia taminy lasa manohitra, ary diso fanantenana ihany koa tamin’ny resaka lavanila, ny “voie rapide” 10km vato fototra fotsiny, ny RN2 potika tsy voakarakara,… Ny tapany Atsimo moa hatry ny ela no nanaovana sehoseho politika, saingy tsy hita izay zavatra tena mivaingana. Raha toa ka ho kandida tokoa Atoa Siteny Randrianasoloniaiko izay avy amin’iny tapany Atsimo iny, izay tao anatin’ny Fitondrana no niala, dia efa naman’ny mampamangy ihany koa ny vaton-dRajoelina tany Atsimo. Mampalemy ny antokon’ny Fitondrana ihany koa ny nisintahan’ny MMM, ary efa malaza fa ho kandida ihany koa I Hajo Andrianainarivelo,… Efa sary niseho tamin’ny andron-dRajaonarimampianina ny tahaka izao hoe: mpiara-mitantana aminy tao anatin’ny 5 taona ihany no nisy nifaninanana taminy tamin’ny fifidianana, hany ka tany amin’ny 8% no niafarany. Hahay hanaja tena tahaka ny Filoha teo Hery Rajaonarimampianina ve anefa Atoa Andry Rajoelina sy ny ekipany ka rehefa tsy lany dia niala tsy nisy rahoraho sa hoe: ra mandriaka sy herisetra no nahatongavana teo tamin’ny 2009 ka ho tahaka izany ihany koa hialany eo ny 2023-2024 ?
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.