Izany indray izao no resaka any rehetra any, eo amin’ireo samy mpandinika ny politika.Sarotra mantsy ny mino hoe tena nahavita asa be mihitsy ny praiminisitra Ntsay Christian ka tena tsy foin’ny filoham-pirenena ho soloina. Ary inona no anton’ny resabe tato ho ato hoe misy ketrika fitsipaham-pitokisana eny amin’ny antenimierampirenena , na hoe misy ketrika fanesorana amin’ny toerany ny filoham-pirenena any Mahazoarivo any.Maro ihany koa no nahatsikaritra tao ho ao izay fa tahaka ny miha-mangatsiaka izany ny fifandraisana eo amin’i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian. Ka ahoana marina ary ny fandehany ?
TSY DIA METY AMIN’NY TGV IRMAR
Mila iverenana kely ny tantara. Avy any amin-dry zareo IRMAR na TGV Mapar tany aloha dia efa tany amin’ny fiafaran’ny « mandat » voalohan’i Andry Rajoelina no sosotra tamin’io praiminisitra io ary nanana anarana olona 3 fara fahakeliny (vehivavy 1, lehilahy 2) ry zareo ataolotra ho praiminisitra.Tapitra ihany ny fe-potoam-piasana voalohany, nandeha ny fifidianana 2023, lany Rajoelina dia mbola tafaverina tamin’ny toerany ihany ingahy Praiminsitra.Ny minisitra sy sekreteram-panjakana tao anaty governemanta anefa niova in-droa isan-taona.
MANAMPAHEFANA TSY AZO KITIHINA ?
Raha ny nahazatra hatramin’izay sy hita maneran-tany dia avy amin’ ilay antoko na vondrona politika eo amin’ny fitondrana, manana ny maro an’isa ny praiminisitra. Io tsy hoe olona hafa mihitsy nokarohina fa olona avy ao amin’ilay antoko, raha ny fahafantarana azy anefa dia tsy mpikambana ao amin’ny antoko TGV na ny vondrona IRMAR i Ntsay Christian tamin’ny fotoana nanendrena azy ho praiminisitra. Ny nisy kosa anefa dia praiminisitry ny marimaritra iraisana voatendry ny taona 2018 (fitondrana Rajaonarimampianina) i Ntsay Christian rehefa nanao fitakiana sy fidinana an-dalambe nanohitra ny fomba fitantanan’ny HVM ny depiote TIM sy TGV. Ny resaka tamin’izany dia hoe praiminisitra lehiben’ny governemanta hitantana ny fifidianana izy ; vita anefa ny fifidianana dia niverina ho praiminisitra i Ntsay Christian ary hatramin’izao 2025 izany . Rehefa tsy misy fanazavana maharesy lahatra avy any amin’ny filohan’ny repoblika sy ny ekipany dia mandeha ny tombatomban’ny mpamakafaka politika ka ny misongadina indrindra amin’izay dia hoe : io Praiminisitra io no tena manampahefana. Sady lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana izy no tsy voakitikitika eo amin’ny toerany, eny fa na ny filoha aza dia tsy sahy manilika azy. Mitohy hatrany ny tombatombana hoe raha io no esorina eo dia hisesisesy ny fivoahana « grands dossiers » tampotampoka. Asa aloha izay ho tohin’ny tantara fa hatreto aloha dia mbola i Ntsay ihany no Christian.
RTT
Mihamafana ny fifandonana eo amin’ireo olom-boafidy ao amin’ny Faritanin’i Mahajanga
Samy manana ny hamaritany ny atao hoe fitiavan-tanindrazana fa ny ahy ny hiheverako azy
Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,
Raha mba mifanaraka amin’ny fihetsiketsehana moa ny asa atao maninona.
Hanatanteraka fitsidihana ara-panjakana eto Madagasikara ny Filoha Slovenina Nataša Pirc Musar
Manentana ny olom-pirenena rehetra ny filohan’ny repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina,