airtel

Politique

12-juin-2023

Politique

Rajoelina sy ny ekipany Efa lasa fomba fiasa mihitsy ilay fampanantenana poakaty

Sample post image

Tao anatin’izao fitondrana Rajoelina izao angamba no nisavovona indrindra ny lainga mivantana na ankolaka hoenti-manadio ny Fitondrana amin’ny tsy fahombiazana. Niainga tany amin’ny Propagandy,

12-juin-2023

dia efa nirarakopana ireo fomba firesaka sy fampanantenana toa mifono lainga na tsy fahamatorana izay lasa mamatotra tanteraka ny fitondrana aty amin’ny 5 taona niasany. Ny tena zava-doza, dia toa heveriny fa mety sy mahomby ary tena fanaovana politika amin’ny fomba matihanina ireny. Maro ny endrika nisehoany, fa andeha handray ohatra vitsivitsy izay tena hita taratra mandrak’ankehitriny. Nilaza fa tsy mila famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza. Izao kofona sy tofoka tanteraka, toa banky ropitra ny volam-panjakana, miandrandra fanampiana ara-bola fitserana toy ny 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Baky iraisam-pirenena sy ny 32 tapitrisa dolara avy amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena,… Tany amin’ny propagandy, nolazaina fa ho firenena mpanondrana vary I Madagasikara, saingy misy olom-boafidy sahy niampanga hoe: nahatratra 1 tapitrisa taonina ny vary nafaran’izao fitondrana izao tao anatin’ny herintaona fa tsy sahiny kitihana, ny olona namporisihina hamboly artemesia fa inona no vokany,… Sempotra tanteraka hany ka betsaka no zavatra mikatso na manahirana eto toy ny: fikojakojana ny làlana, ny fandoavana ny volan’ireo nanao asa tamin’ny tsenambaro-panjakana,… Endrika iray miharihary ihany koa ny raharaha Jirama sy delestazy, izay natao fitaovana politika niainga tany amin’ny propagandy, natao fitaovana ny tsy fahombiazan’ny fitondrana teo aloha, noharatsiana ireo mpitondra nifanesy izay nolazaina fa tsy nahavita namokatra 400MW fa izy hanao 400MW azy irery mandritra ny 5 taona. Lainga isaky ny miainga nanomboka teo fa vao mainka niha zava-doza ny delestazy, izay ifangaroan’ny lesoka ara-pitaovana, ny tsy fahaiza-mitantana, ny tsy fananana politikam-pirenena mazava, tsy fananam-bola,… Nolazaina tany amin’ny janoary 2022 fa mila manam-paharetana kely satria afaka 6 hatramin’ny 8 volana dia ho resy ny delestazy. Herintaona sy tapany aty aoriana mbola mandeha ny hoe: amin’ny zoma no miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra fa ny eo ihany no eo. Tahaka izany ihany koa ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy izay petatoko, seho ivelany sy fireharehana ka lasa nivadika lainga no betsaka, toy ny nilazana fa any Imeritsiatosika no hanaovana izany. Io iaraha-mahita io ny zava-misy, voasokajy ho lalaon’ny Nosy ratsy karakara indrindra, taranja maro nofoanana, tsy misy tanànan’ny lalao,… Mitovitovy ny fomba fiasa amin’ny zava-drehetra, tsy sahy tena mitsotra ny marina, fa milalao serasera, mampanantena poakaty,… izay vao mainka lasa mandranitra olona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Tsy nisy fitsabatsabahana nataon’ny vondrona eoropeanina loatra tamin’ny zava-nisy

Card image cap
17-mai-2024

Anisan’ireo nampanantenain’ny filoham-pirenena fa hananganana kianja manara-penitra ny ao Ankazobe.

Card image cap
17-mai-2024

Nivadika tanteraka ny rasa ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana.

Card image cap
17-mai-2024

Efa manao izay tiany atao ny mpitondra fanjakana, hoy ny mpamakafaka, mpanao politika,

Card image cap
17-mai-2024

Niaiky hatrany ny Filoha Andry Rajoelina fa tena marary isika amin’ny lafiny angovo,

Card image cap
16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap