hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Andriamanitra anie, hoy izy, homba anareo tsirairay avy. Tapaka ny lalana atsy. Tapaka ny lalana aroa. Tamin’ny main-tany aho no efa niteny hoe betsaka ny lalana tokony atao, indrindra, ireny tetezana ireny. Diso tara loatra isika ankehitriny ary efa voa vao mikorapaka. Efa hita ho nisy fambara daholo ilay lalana. Tamin’ny main-tany no efa tokony natao ny fikojakojana sy fanarenana azy. Tsy hateza mihitsy ny lalana ho atao anatin’izao fahavaratra izao satria isika anaty orana izay mbola hiha betsaka hatrany. Malemy ny tany no dikan’izany ka tsy ho mafy mihitsy ny zavatra hatao aminy. Tsapantsika izao fa fototry ny aina ny lalana. Tsy afaka mivezivezy ny vokatra. Rehefa tapaka ny lalana dia hiha sarotra ny fiainana. Hiakatra ny vidim-piainana. Betsaka ny fiara tsy sahin’ny tompony ampiasaina satria manimba fiara ilay lalana. Manamboatra tetezana haingana hahafahan’ireo fiara mifamezivezy aloha izany izao no azon’ny fitondrana atao. Mbola ho betsaka noho io ny lalana ho tapaka raha tsy jerena akaiky. Mikasika ny fifidianana kosa dia tsy ho ampy intsony ny 6 andro (TTF: 5 andro) raha izany 13.500.000 isa izany no tanjona satria mbola 9.000.000 eo izany izao, raha ny vaovao farany, ny mpifidy voaisa. Sarotsarotra ao anatin’izao fotoam-pahavaratra sy fahatapahan-dalana maro izao, indrindra, ny hidina any amin’ireo ambanivohitra hanao izany fanisana izany. Ny azo atao dia ny manainga ny malagasy rehetra hanatona ny fokontany satria io no rafitra akaiky vahoaka indrindra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,