Miditra amin’ny fanavaozana marina isika amin’izao fotoana izao, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana, ary ny tolona ataon’ny vahoaka dia ny hoe diovina aloha ny lapa. Esorina daholo, hoy izy, izay rehetra tsy nety teo aloha. Mametraka isika olom-baovao, olona tena malala-tsaina, mahalala tsara ny tantaran’ny firenena. Izany rehetra izany dia takian’ny vahoaka eto amin’ny tany sy ny firenena mba hisian’ny tena demokrasia marina. Tsy midika izany rehetra izany fa ratsy daholo ny teo aloha fa ny vahoaka mihitsy no mitaky hoe aleo aloha hadio ny zava-drehetra. Miova isika dia mandinika tsara hoe inona no mety sy tsy mety? Inona no tokony ho raisina na tsy tokony ho raisina? Be sotrobe lava tango mahay mamadika palitao ao. Tandremo ireo mpisolelaka fa ireny ihany no tsy maintsy hamadika rehefa mipoitra ny kihon-dalana eto amin’ny firenena! Tsy izay rehetra niteny na nitolona akory dia omena toerana daholo. Ho sahirana amin’izany isika fa mila mandinika sy misaina amin’ny rehetra atao. Mila mailo eo amin’ny ara-bola, indrindra, ireo mpanondrana harem-pirenena an-tsokosoko. Mila mitandrina amin’ny namana ihany koa, izay mody manaratsy teo aloha nefa tena mpitsikilo, mpanaratsy, hanome fandrika ho anao ihany koa, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija