taorian’ny fahavitan’ny fifidianana solombavambahoaka ny 29 May teo ka nahazoan’ny Vovonana Firaisankina toerana iray tao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Izy no lisitra faharoa tamin’izany izay nankasitraka feno ny fitantanan’Andriamanitra sy ny vahoakan’Avaradrano tamin’ny fahatokisana nomeny ny kandida natolotry ny Vovonana Firaisankina. Ankoatra izay dia niverina amin’ny maha-Ben’ny tananan’Alasora azy izy araka ny lalana 2018-008 tamin’ny 11 May 2018 izay mamerina azy indray amin’ny asany teo aloha rehefa vita soa aman-tsara ny fifidianana solombavambahoaka. Nambarany araka izany fa hitodika tanteraka amin’ny fanompoana ny vahoakan’Alasora izy manomboka izao ka tafiditra ao anatin’izany ny asa fampandrosoana ny tanana izay efa nimatimatesany hatramin’izay.
Pati
Legende : Mbola vonona hanompo ny vahoakan’Alasora hatrany ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy !
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny