airtel

Politique

18-août-2025

Resaka fotsiny ny demokrasia sy fitsinjaràm-pahefàna

Ben’ny tanàna maro no maty tamin’ny fomba tsy mazàva

Sample post image

Maty ny Ben'ny tanànan'Anororo, distrikan'Amparafaravola, Andrianony Vahiny Cyrille Damien François na Toutou,

18-août-2025

ny martsa 2023. Nametra-panontaniana ny rehetra hoe inona marina no nitranga? Efa nisy aretina nitaiza ve izy ka nihetsika krizy tampoka sa ahoana? Raha iverenana kely ny resaka dia in-dray talata maraina izy no niditra tao amina trano fandriambahiny iray ao Ambatondrazaka niaraka tamina vehivavy iray. Ora vitsy taorian'ny nidirany tao no voalaza fa tsy nahatsiaro tena sy tsy nihetsika intsony izy. Nentina tany amin'ny hopitaly saingy tsy voavonjy intsony. Misesisesy, etsy ankilany, ny fahafatesana ben'ny tanàna tanora tato ho ato. Vao enim-bolana latsaka izay no nahazoan'ireo olom-biafidy ireo ny fahefana hahafahany hampandroso ny tanànany. Nody mandry indray ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry, Toky Rakotondrazaka, ny marainan’ny sabotsy teo. Nambaran'ny fianakaviana fa ahiana ho nisy nanapoizina. Ny zoma 21 febroary tolakandro koa no nahafaty ny ben'ny tanànan'i Mangataboahangy Ambatofinandrahana, Rasazy Narindra. Tsy mbola misy mangirana, 5 volana taty aoriana, ny raharaha na dia efa misy aza ireo voasambotra sy ahiahiana. Tsy mbola fantatra izay olona tena namono sy ny antony mazava namonoana azy. Ny nahafatesan'ny ben'ny tanànan’ny kaominina Andranolava, distrikan’i Sakaraha ny 11 jolay, raha tsiahivina, dia noho ny lozam-pifamoivoizana.Ny namonoana ny zanaka ben’ny tanàna tao amin'ny kaominina Tanambao, distrikan'i Bekily, ny 15 martsa dia hoe maty notifirin'ny jiolahy. Ny ben'ny tanàna tao amin'ny kaominina Karianga Vondrozo, ny volana febroary, dia nodimandry rehefa voasalotra samboady. Mbola maro izy ireo mampametra-panontaniana hoe aiza ho aiza ny valin'ny fanadihadiana? Mampahatsiahy ny raharaha Kolonely Ratsimandrava ny taona 1975. Ara-bakiteny, araka izany, ary io iaraha-mahita miharihary io fa resaka fotsiny ny demokrasia sy fitsinjaràm-pahefàna tanatin’ity fitondràna ity fa mbola maro hatrany ireo malaina ny hametraka izany, toy izay nitranga tamin’ny andron’Itompokolahy Richard Ratsimandrava, araka ny voalaza teo. Ben’ny tanàna maro no maty tamin’ny fomba tsy mazàva ary tanora ny ankamaroan’izy ireo.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap