airtel

Politique

15-juin-2023

Politique

Resaka zom-pirenena Frantsay Hisy akony ara-politika ho an-dRajoelina ve ?

Sample post image

Niteraka resabe ny fahitana ny anaran’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny ankohonany tao anatin’ny pejin’ny gazetim-panjakana Frantsay

15-juin-2023

ny 19 novambra 2014 fa isan’ireo nahazo zom-pirenena Frantsay tamin’ny alalan’ny “naturalisation” izy ireo. Amin’ny lafiny iray, zony tanteraka izany ary tsy misy afaka hanakana azy amin’ny safidiny sy ny fahafahany mangataka zom-pirenena vahiny araka izay tiany. Lasa miteraka tsikera mavaivay sy misy mandika ho famadihan-tanindrazana goavana anefa io. “Fisolokiana goavana nihatra tamin’ny firenena. Efa resabe efa ela, fa izao dia efa azonay soa aman-tsara ny porofo rehetra nahazoan’i Andry Rajoelina ny fizakana ny zom-pirenena Frantsay, tsy honohono fa tena notadiavinay. Antontan-kevitra azo antoka no hitantsika amin’ny Gazetim-panjakana Frantsay. Ny « naturalisation » dia zom-pirenena nangatahana, tsy avy amin’ny resaka rà, na fiankohonana,… fa izy no nangataka. Ny lalàna Malagasy anefa dia milaza, lalàna 60-064 tamin’ny 22 jolay 1960, andininy faha-42 fa ny olona rehetra izay feno taona ka mangataka hanana zom-pirenena hafa, dia very ny zom-pirenena maha Malagasy”, hoy I Fanirisoa Ernaivo Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara teo aloha. Nilaza noho izany ity mpitsara teo aloha sady mpanao politika mpanohitra ity fa tsy ara-dalàna ny nahafahan-dRajoelina nirotsaka hofidiana Filoham-pirenena tamin'ny 2018, ka dia tsy manan-kery ny fitondrany iray manontolo satria tsy Malagasy intsony izy. Aoka ny rehetra handray andraikitra fa fahotana goavana no mitranga “haute trahison”, hoy izy.
“TSY TOKONY HO AZO FIDIANA HO FILOHAN’NY MALAGASY”
“Raha ny lalàna eto Madagasikara dia tsy tokony ho azo ho fidiana ho filohan'ny Malagasy mihitsy izany Ingahy Andry Rajoelina ary tsy tokony ho Filohan’ity Tanindrazana Malagasy ity. Ambon’izany noho ny maha Frantsay azy dia nanao fianianana tamin'ny nahazahoany ny taratasy izany, ka nianiana hiaro ny tombotsoan'ny Frantsay amin'ny heriny rehetra izany. Izany ny fianianana tsy maintsy nataony teo anantrehan’ny mpahay lalana Frantsay. Mijoroa ry Malagasy mpiray Tanindrazana. Aza mety badoana amin’ny lainga tsara lahatra. Ampy izay ny fampiesonana nandritra ny taona maro. Miantso ireo rehetra mpampiatra ny lalàna velona eto amin’ity Tanindrazana iombonana ity mba hampiatra marina ny lalàna mifanandrify amin’izao zava-doza izao. Masina ny Tanindrazana ary tsy amidy!”, hoy ihany koa ny Praiminisitra lefitra teo aloha Atoa Zaza Ramandimbiarison. Somary mangina kosa ny any amin’ny Etamazaoron’ny Fanjakana ka asa na hisy fanazavana sy setriny ato ho ato na tsia!? Fifandrifian-javatra ve ny fivoahan’itony resaka itony amin’izao mialohan’ny fifidianana izao sy taorian’ny fihaonan’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron? Hisy akony amin’ny ho avy politikan-dRajoelina na koa hisy fiantraikany any amin’ny fifidianana ve? Ao raisina ho mpamadika tanindrazana sy tokony hoverezin-jo avokoa ve izany ireo Malagasy mizaka zom-pirenena hafa ankoatra ny Malagasy na ilay antsoina hoe: “double nationalité”?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap