airtel

Politique

15-janv-2024

Rivo Rakotovao

“Angaha mbola vita ny baolina?”

Sample post image

Fitiavan-tanindrazana no mampiray antsika! Izay no teny filamatry ny Rodoben’ny mpanohitra na RMDM,

15-janv-2024

hoy ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara na HVM, Rivo Rakotovao. Sarotra be, hoy izy, ny mijery izao sary izao mitamberina tany aloha tany hoe fa misy inona no iza indray no miaraka amin’iza? Fa maninona indray ry zareo ireo no miaraka? Fa maninona ireo olona samihafa samy manana ny antokony sy ny heviny ireo no tafaraka ka miray feo? Ny fitiavan-tanindrazana no mampiray antsika! Niforona tao anaty andro sarotra be ny RMDM. Nampiseho ny heriny sy ny tanjany tanteraka ny mpitondra tamin’izany fotoana izany. Tazana teny hoe ohatrany mankany amin’ny jadona ity firenentsika ity izany. Toa mitady hanao tsy refesi-mandidy ireto mpitondra ireto izany? Toa tsy mifanojo amin’ny laharam-pahamehana ilain’ny maro an’isa ny fanoitra apetrak’ireto mpitondra ireto izany? Tao anatin’izany no nijoroantsika mianakavy nampandefitra ny hambom-po politika samy manana ny vinany. Mety manana ny iarahany sy tanjona apetrany amin’ny maha antoko azy. Nampandeferintsika izany satria fitiavan-tanindrazana no mampiray antsika. Tsy maintsy misy ny tsy hitoviantsika hevitra fa ny iraisantsika dia ny fitiavan-tanindrazana. Nametraka tanjona ambony be isika dia ny hamerenana izany tany dan-dalàna, hamerina izany fitantanana mahomby ho tombontsoa ambonin’ny firenena. Raha hangiana eo an-tenatenan-dalana isika dia tokony tsy niampita arabe satria raha mijanona eo an-tenatenan-dalana dia voahitsaky ny fiarakodia. Rehefa niampita isika ka nino an’Andriamanitra fa ady tsara no ataontsika dia niampita isika ary tsy hijanona isika raha tsy tafita ny tanjona. Isika izao no andrasana. Anatrehan’izao fahavoazan’ny firenena izao dia izay mitambatra ihany no matanjaka. Izay mitambatra ihany no mandresy. Raha misaratsaraka isika dia ho resin’ny ratsy ka ho potika ny firenena. Tsy diso lalana isika. Fanetren-tena lehibe niarahantsika nahita teto amin’ity firenena ity dia ny fiarahan’ireo kandida niray hina. Tsy mora io. Nijery ry zareo aloha hoe mankaiza ity firenena ity? Mora ankehitriny ny miteny satria tsy tratra teo ho eo ilay tanjona hoe vita hatreo ny amin’ireo “collectif” ireo. Angaha mbola vita ny baolina, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap