tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Politique

RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

27-mars-2023

Sample post image

hatramin’ny 10 volana, hoy ny Vondrona politika 5 tonta na G5 ahitana ny RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM, VPHM ny zoma lasa teo, nandritra ilay dinika notarihin’ny CENI. Nampiditra ny resaka nandritra ny fandraisam-pitenenan’izy ireo Atoa Olivier Rakotovazaha, ary nisy ny fanambarana nataon’izy ireo teo imason’ny rehetra avy eo. Milaza izy ireo fa natao an-kamehana sy petatoko ny lisitra ka tsy tomombona sy tsy madio ary tsy azo antoka. Ny “Logiciel Alpha-numérique” izay ampiasainareo ato amin’ny CENI ihany koa dia mora sy azo hovahovana araka izay tiana hanaovana azy, katsy azo antoka velively ka tsy azo antoka ny hamoahan’ireo milina valim-pifidianana madio sy mangarahara sy tsy mitanila, ary eken’ny rehetra”, hoy ny G5 tamin’ny alalan’ny fanambarana novakian’Atoa Beanjara Paul. Mandeha ila tahaka ny kiraron’ny beminahy ihany koa ny nandrafetana ny CENI ka tsy mety aminay, raha tsy hilaza afatsy ny Filohan’ny CENI izay natolotry ny Filoham-pirenena, tsy misy avy amin’ny mpanohitra fa olon’ny mpitondra ny mpikambana, hoy izy ireo. Nilaza noho izany ny G5, fa tsy mahaleo tena ara-pitantanana sy ara-bola, ka tsy afaka hankato ny CENI amin’io firafiny io ny G5. Vao mainka hiteraka krizy lalim-paka noho izany ny CENI ka ny fikaonandoham-pirenena ihany no afaka mamaha ny olana. Ankoatra ny G5 moa dia nisy tamin’ireo mpanao politika maromaro no nitondra fanakianana tahaka an-dry Roland Ratsiraka izay naneho mikasika ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana, fa ny efa nokianina taloha ihany no miverina ankehitriny. Anisan’izany ny resaka famoriam-bahoaka izay tsy mitovy ny fahalalan’ny rehetra, ka nanebahany imaso imaso ny Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay teo anoloany. “Nahoana no afaka mamory vahoaka I Lalatiana Rakotondrazafy fa izahay, izaho Roland Ratsiraka 25 taona nanaovana politika tsy mahazo, ianao mbola tsy lany ho olom-boafidy afaka manao”, hoy I Roland Ratsiraka. “Tsy hoe ianareo no tsy tianay, in’efatra izahay no nanatrika, fa tsy nahita izahay hoe: niroso, tsy misy zavatra noraisina,... Angady tsy mahatapak’ahitra ve ny CENI? Manana ny hoenti-manana marina ve ny CENI ary ataovy mangarahara?”, hoy kosa I Hajo Andrianainarivelo.


Mbola tsy nisy fehin-kevitra tena nivoaka moa mikasika ilay dinika tamin’ny zoma 24 martsa, saingy naneho fa nandray an-tsoratra sy handinika an’ireny ny CENI, ary hampita ihany koa any amin’ny governemanta ny zavatra tandrify azy ary ireo niainga tamin’ny dinika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Digitalisation” eny amin’ny fokontany Mbola ny karine aloha izao no atobaka
26-mai-2023

Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha

Card image cap
Depiote Todisoa Andriamampandry “Tohizantsika ny fanamboaran-dàlana...”
26-mai-2023

Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).

Card image cap
Politika sy krizin’andrim-panjakana Tsy te hatao sorona ny governemanta
26-mai-2023

Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.

Card image cap
Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena
26-mai-2023

Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.

Card image cap
Antoko Ny Fireneko «Fifanarahana mankany amin’ny fitoniana no andrasana»
26-mai-2023

Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.

Card image cap
Fandraisana ny Filoha ao Betafo amin’ny jona
26-mai-2023

Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?

Voir plus