tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Politique

Rodoben’ny mpanohitra “Aza avela hisy ra mandriaka eto vao hifampiresaka”

Aza mieritreritra ny hanitatra fe-potoana fa tapitra amin’ny 2023 ny fe-potoananareo, hoy ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM,

20-déc-2022

Sample post image

tetsy Bel’Air Ampandrana omaly mantsy ny mpitondra ankehitriny. Miditra ny SADC, vondrona eoropeanina, vondrona afrikanina hijery ny vahaolana hiarahantsika hanavotra ity firenena ity, hoy ny mpitondra teny, Edouard Tsarahame. Raha tsy hitady vahaolana miaraka hanaovantsika fifidianana madio mangarahara eto amin’ity firenena ity ianareo fa miheritreritra hanao tetezamita dia ho hitantsika eo ny tohiny fa tsy hanaiky mora izany izahay. Hamafisinay fa 5 taona ny fe-potoana omen’ny lalana ny filoham-pirenena. Ben’ny tanàna, 4 taona. Samy tapitra amin’ny taona 2023 izany. Misy fifidianana miisa 2 izany amin’io taona hoavy io fa gaga izahay fa na ny CENI milaza ho mahaleotena aza mbola tsy namoaka ny tetiandro momba izany. Avoahay ny tetiandro raha tena mahaleotena marina nareo! Miantso ny mpiray tanindrazana rehetra ny RMDM hifanome tanana amin’ireo raiamandrenintsika eto amin’ity firenena ity hitady vahaolana fa latsaka an-katerena ny firenena. Manao antso ho anareo namana mbola mijoro hitondra fanjakana ankehitriny izahay mba hampitsahatra ny fisamborana olona tsy mitovy hevitra. Miantso anareo mpitondra fanjakana mba hamoaka amin’ny fomba rehetra faran’izay haingana ireo rehetra nogadraina ara-politika. Ny any Toliara, Andry Biahary. Nosy be, Ninie Donia. Antananarivo, ry Berija, Malama, Rolly Mercia, Christelle… Avoahay ireo nogadrainareo fa tsy mitovy hevitra aminareo satria tsy mahasoa ny tanindrazantsika ny hiaina amin’izao andro fety izao nefa lonilony no hiarahana. Gadrao kosa ireo rehetra hita fa nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Sambory ireny mba ho hita fa tena manao ny asanareo tokoa ianareo fa tsy izay rehetra miteny ny marina dia hanaovana antsojay. Miantso ireo raiamandreny ara-panahy izahay mba handray an-tanana haingana ny fikaonandoham-pirenena ialana amin’izao krizy izao. Aza avela hisy ra mandriaka na ady na korontana eto amin’ny firenentsika vao hifampiresaka. Miombona amin’ny HIFFIM izay nanao fanambarana fa manome 1 volana ny fitondrana ankehitriny izahay hanaovana izany latabatra boribory izany, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana
27-mars-2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

Card image cap
Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »
27-mars-2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”
27-mars-2023

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

Card image cap
Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?
27-mars-2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

Card image cap
Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary
27-mars-2023

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

Card image cap
Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray
27-mars-2023

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

Voir plus