airtel

Politique

15-janv-2024

Rodoben’ny mpanohitra

“Sahirana ny mpitondra mitady olomanga satria...”

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo tetsy Bel’Air Ampandrana ny fifampiarahabana tratry

15-janv-2024

ny taona eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM. Ny tanjon’ny RMDM dia ny hanavotra an’i Madagasikara, hoy ny filoha lefitr’ity vovonana politika ity, Edouard Tsarahame. Tsy miova amin’izany lalan-tsaina izany izahay, hoy izy. Iaraha-mahita sy miaina fa latsaka an-katerena ny firenena. Ao ireo nanomezan’ny RMDM sosonkevitra entina anarenana ity firenena ity saingy indrisy, nanao be marenina ny mpitondra, latsaka an-kady i Madagasikara. Natao amboletra ny fifidianana dia nahazo mpitondra i Madagasikara izay tsy mbola eken’ny RMDM mandrak’ity ny androany. Mbola hiady sy hijoro ny RMDM. Tadiavina ny fomba rehetra andemena ny RMDM. Tsy nisy nahomby izany teti-dratsy izany. Vao mitsangana hanao fanehoan-kevitra politika ny RMDM dia lazaina fa misy areti-maso indray, hono, eto Madagasikara. Mahita izahay na marary maso aza! Sahirana ny mpitondra mitady olomanga satria volomboasary no misy any. Nolokoina volomboasary daholo ny manodidina ao nefa olomanga no tadiavina. Mazava sy mahitsy ny tenin’ny RMDM. Tsy hiditra anaty governemanta izahay! Tsy nanohitra tsangan’olona izahay fa nanohitra fomba fiasa hitantanana ny firenena. Izao ve no antsoina hoe fisandratana na “Emergence”? Ho an’ny olona marary maso izao dia “Emergence”. Hitan-drizareo fa tsy mety ilay “Emergence” dia hoy indray ry zareo hoe ovaintsika “Velirano” indray. Tsy nisy tanteraka izy 13 isa. Tapitra ny 5 taona. Fara idiny i Madagasikara. Izao indray dia hoe “Madagasikara tsy maintsy mandroso!”. Mandroso mankaiza? Miisa 3, hoy ny filoha Ravalomanana, tamin’ny taon-dasa no mahatonga ny firenena iray ho faraidiny. Na izy nisy ady lehibe. Nisy izany ve teto? Na nisy loza voajanahary. Ny fahatelo tsy fahaiza-mitantana. Mbola tsy nisy nanerana izao tontolo izao izany volamena nivadika vy izany. Hampandroso firenena ve dia omby vosotra no akana taranaka? 13+6=18 ve no matematika entina hampandroso firenena? Navoaka izao ny didy fa tsy azo atao ny mivorivory fa misy areti-maso nefa ny jiron’akoho etsy ilaharana. Ny fako eran’ny tanàna misy. Ny fako manerana ny tanàna ve no tena mamparary sa ny fivorivoriana? Raofy aloha ny fako dia madio ny tanàna fa aza ny fivoriana politika no amoahana fanapahan-kevitra! Na hamoaka fanapahan-kevitra tahaka ny inona koa aza ianareo izahay efa vonona! Miantso izay afaka hanavotra ity firenena ity rehetra izahay fa malalaka ny varavarana, hoy hatrany ny Rodoben’ny mpanohitra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap