airtel

Politique

07-sept-2023

Roland Ratsiraka

“Amboary io lisitry ny mpifidy io isorohana ny ady an-trano”

Sample post image

25 taona izay ny MTS na antoko politika Malagasy tonga saina no nandatsaka olona ho fidiana foana na

07-sept-2023

solombavambahoaka io na ben’ny tanàna na mpanolontsain’ny t anàna na loholona, hoy ny filohan’izy ireo sady kandida ho filoham-pirenena, Roland Ratsiraka, nanatitra antotan-taratasy niaraka tamin’ny ekipany teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Niady mafy ho an’ny fanajana ny soatoavina repoblikanina eto amin’ny tany sy firenena izahay, hoy izy, mba haha voatantana tsara ny firenentsika. Anaty fahasahiranana tanteraka ankehitriny ny vahoaka malagasy. Potika ny firenena na inona sehatra resahana. Fanabeazana fototra, fambolena, lalana na inona na inona potika. Mitaky ekipa vaovao mbola tsy nanao ratsy teto amin’ity firenena ity ny firenentsika ho tonga amin’ny toerana. Mitaky filoham-pirenena vaovao manana traikefa fa tsy tonga tampoka na kandida tampoka toy ireny hitantsika nanaotao fahatany ireny. Mitaky olona madio. Ekipa idealy izahay ireo. Tsy tafiditra anaty dosie maloto, sanatrian’ny vava. Raha vao tonga tsara any amin’ny malagasy tsirairay ny hafatra avy aty aminay dia tsy maintsy ho tafavoaka fiodinana faharoa izahay. Tsy maintsy lany fiodinana faharoa izahay. Na ireo antoko ireo aza tsy misy anaty CENI raha tao taloha. Nihemotra isika. Izany no mampimenomenona ireo kandida ireo. Be loatra ny hosoka anatin’io lisi-pifidianana io ary voabaikon’ny fanjakana ny CENI sy ny andrim-panjakana. Mbola ampy ny fotoana hanarenana izany rehetra izany. Raha ilatsahan’ny fanahy masina i Andry Rajoelina ka mamory ny solombavambahoaka rahampitso maraina. Azonay amboarina ilay volavolan-dalàna nentiko niaraka amin’ny depiote 30 isa eo momba ny fanavaozana ny lisitry ny mpifidy na “refonte” an’ny CENI. Misy andininy miisa 7 tokony ovana ao. Mbola misy vahaolana hafa ankoatran’io fidinana an-dalambe maha ratsy endrika an’i Madagasikara io. 11.000 fotsiny no neken’ny CENI ho isan’ny verindroa na “doublon”. An-tapitrisa nefa ny “doublon”. Amboary io lisitry ny mpifidy io isorohana ny ady an-trano sy ny krizy vaovao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap
15-mai-2025

Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny

Card image cap