airtel

Politique

16-juil-2025

Rolly Mercia

Hivoaka anio raha raha tsy misy sampona

Sample post image

Tokony hivoaka ny fonja anio 16 jolay 2025 Atoa Hary Laurent Rahajason na Rolly Mercia,

16-juil-2025

mpanao gazety, Minisitry ny serasera teo aloha tao anatin’ny Fanjakana Rajaonarimampianina. Vita tanteraka ny saziny tamin’ireo fanamelohana miisa 2 nahazo azy, taorian’ny 5 taona sy 6 volana tao Antanimora. Raha hiverenena, notondroina ho mpaniraka mpanao fihetsiketsehana teny Ambohipo nitakiana famotsorana an’i Berija Ravelomanantsoa i Rolly Mercia, ka nosamborina ny jolay 2020, ary nalefa tany am-ponja. Nampangaina ho manao fikomiana na “rébellion”, manohintohina ny filaminana anatin’ny Firenena na “atteinte à la sûreté de l’État”, ary nanao famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana na “attroupement non autorisé”. Ny 15 Oktobra 2020, nohelohina 44 volana an-tranomaizina izy. Vita izay, nisy ny fanazavana nentin’ny mpisolovava azy Me Eric Rafidison ny janoary 2023 izay nilaza fa tokony hivoaka tamin’ny 16 janoary 2023 izy noho ny fahavitan’ny sazy, saingy nisy « pourvoi en cassation » nataon’ny Parquet général tamin’ny 12 Janoary 2023 nitazonana azy tao am-ponja. Nitovana indray anefa ny raharaha, ny febroary 2023, nanampy vesatra vaovao ny Fitsarana rehefa nenjehina ho nanao fijoroana vavolombelona tsy marina na “faux témoignage” nikasika ny raharaha momba ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga tany amin’ny tribonaly ara-bola na PNF (Parquet National Financier) tany Lafrantsa indray izy. Niampy 30 volana sazy mihatra sy onitra 2 tapitrisa ny sazy teo. Ny janoary 2023, naneho ny mpisolo vava azy fa nahazo fanenan-tsazy in-telo I Rolly Mercia, toy ny 24 jona 2021 tamin’ny alalan’ny didim-panjakana N°2021-67 nahazoany fanenan-tsazy 8 volana. Ny 23 jona 2022 tamin’ny didim-panjakana 2022-957 izay somary nampiady hevitra tao amin’ny fonja hoe: 6 na 8 volana,… Raha 6 volana dia tokony ho efa nivoaka ny 22 novambra, fa andeha atao hoe: 6 volana ary, ka tokony ho efa nivoaka farafahatarany ny 16 janoary 2023 teo I Rolly Mercia, hoy ny mpisolovava tamin’izany. Tsy arakaraka izay no nitranga. Vita tanteraka ny sazy rehetra ho an’i Rolly Mercia raha ny vaovao nivoaka, voalaza fa tsy nisitraka fampihenan-tsazy na « grâce présidentiel ». Andrasana izany ny anio hoe : ho afa-bela tanteraka ve ity Minisitra teo aloha ity sa mbola hisy indray ny dosie fanampiny na fanenjehana tsy ampoizina ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap