Mbola any amin’ny 08 septambra ny raharaham-pitsarana, izay heverina fa ho henjakenjana. Nolazaina fa tao anatin’ny fialan-tsasatra nanomboka ny 09 hatramin’ny 22 aogositra. Ny 10 aogositra no voasambotra tany Londres, saingy ny 14 aogositra rehefa noviravirain’ny mpikirakira facebook ny Fanjakana noho iny tranga iny vao namoahana fampitam-baovao fa hoe: esorina amin’ny toerany ary mihatra avy hatrany. Fampitam-baovao na “communiqué de presse” no navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika tao anatin’izany, fa tsy nisy didim-panjakana mazava manamafy an’io nivoaka tamin’ny fomba ofisialy sy nampahafantarina aloha hatreto. Fomba fiasan’ny Fanjakana no mamoaka sy manao serasera izany ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, saingy tsy nisy an’io ny fampitam-baovao ny 14 aogositra teo, kanefa nolazaina fa mihatra avy hatrany. Tsara no mampahatsiahy, fa tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 01 martsa 2023 no nanendrena an-dRtoa Romy Voos Andrianarisoa, ka amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany koa no manafoana izany. Manana lanja araka ny lalàna na “valeur juridique” ve ny serasera sy fampitam-baovao? Tsy nisy didim-panjakana milaza ny fanesorana azy nipoitra aloha hatreto, ka asa na hamoronana vaovao mitondra ny datin’ny 14 aogositra na ahoana fa hatreto aloha. Raha raisina amin’ny lalàna dia mbola Tale Kabinetra ity Rtoa voasambotra tany Londres noho ny fitakiana vola 225 livre sterling na 1 300 000 000 Ar sy fitazonana ny 5% amin’ny fampiasam-bolan’ny orinasa Gemfields ho tambin’ny fanomezana fahazoan-dàlan’io orinasa io hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Dia tena tamin’ny nahim-pony tokoa ve no nahafahany nisolo tena ny Fanjakana Malagasy fa tsy misy lehibe mpaniraka? “Tsy maintsy fahefam-panjakana no nahafahany nitaky vola 225 000 livre sterling tany amin’ny Gemfields. Amiko, matoa izy afaka nitaky an’ireny dia satria Tale kabinetran’ny Filoha izy, fa raha olon-tsotra ery antokontany dia ahoana ny ahafahany makany hoe: omenareo an’izao izahay. Manana fahefana izy avy eo hanome ny zavatra takalon’ilay tsolotra”, hoy Atoa Rivo Rakotovao mpandrindra Nasionalin’ny Antoko HVM ny herinandro teo. Nilaza kosa I Fanirisoa Ernaivo, fa tsy vao sambany nanera fifampiraharaharana amina fitrandrahana harena teto I Romy Voos Andrianarisoa, fa efa nisy hafa, toy ny orinasa sinoa Cnooc,… Andrasana ny tohiny, anarana maro no mety hivoaka aoriana ao fa dia samy miandry ny rehetra!
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny