airtel

Politique

18-août-2023

Politique

Romy Andrianarisoa Tsy mbola nisy didim-panjakana nanalana azy…

Sample post image

Samy miandry izay ho tohin’ny raharaha Tale Kabinetran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Romy Voos Andrianarisoa ny rehetra.

18-août-2023

Mbola any amin’ny 08 septambra ny raharaham-pitsarana, izay heverina fa ho henjakenjana. Nolazaina fa tao anatin’ny fialan-tsasatra nanomboka ny 09 hatramin’ny 22 aogositra. Ny 10 aogositra no voasambotra tany Londres, saingy ny 14 aogositra rehefa noviravirain’ny mpikirakira facebook ny Fanjakana noho iny tranga iny vao namoahana fampitam-baovao fa hoe: esorina amin’ny toerany ary mihatra avy hatrany. Fampitam-baovao na “communiqué de presse” no navoakan’ny Fiadidian’ny Repoblika tao anatin’izany, fa tsy nisy didim-panjakana mazava manamafy an’io nivoaka tamin’ny fomba ofisialy sy nampahafantarina aloha hatreto. Fomba fiasan’ny Fanjakana no mamoaka sy manao serasera izany ao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika, saingy tsy nisy an’io ny fampitam-baovao ny 14 aogositra teo, kanefa nolazaina fa mihatra avy hatrany. Tsara no mampahatsiahy, fa tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny 01 martsa 2023 no nanendrena an-dRtoa Romy Voos Andrianarisoa, ka amin’ny alalan’ny didim-panjakana ihany koa no manafoana izany. Manana lanja araka ny lalàna na “valeur juridique” ve ny serasera sy fampitam-baovao? Tsy nisy didim-panjakana milaza ny fanesorana azy nipoitra aloha hatreto ka asa na hamoronana vaovao mitondra ny datin’ny 14 aogositra na ahoana fa hatreto aloha, raha raisina amin’ny lalàna dia mbola Tale Kabinetra ity Rtoa voasambotra tany Londres noho ny fitakiana vola 225 livre sterling na 1 300 000 000 Ar sy fitazonana ny 5% amin’ny fampiasam-bolan’ny orinasa Gemfields ho tambin’ny fanomezana fahazoan-dàlan’io orinasa io hitrandraka harena an-kibon’ny tany. Voalaza fa notanana atao andrimaso ilay tompon’andraikitry avy eo anivon’ny Antenimierampirenana namoaka azy teny Ivato. Tamin’ny naha mpinamana hatramin’izay teo amin’ny roa tonta no nambara fa namoahany an’I Romy Voos Randrianarisoa, fa tsy iraka ofisialy avy amin’ny Antenimiera. “Passeport de service” no voalaza fa nialany teto, izay tsy azo ampisaina, raha tsy miaraka amin’ny “ordre de mission”, izay vao tafavoaka eto. Dia tena tamin’ny nahim-pony tokoa ve no nahafahany nisolo tena ny Fanjakana Malagasy fa tsy misy lehibe mpaniraka? Anarana maro no mety hivoaka aoriana ao fa dia samy miandry ny rehetra!
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap