airtel

Politique

17-mars-2025

Rotaka tany Tanambao Tsirandrany, Bekily

2 maty noho ny fifanandrinan’ny AVI sy ny IRMAR…

Sample post image

Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina

17-mars-2025

anambao Tsirandrany anatin’ny distrikan’i Bekily ny sabotsy 15 martsa 2025 lasa teo. Notafihin’ny andian’olona manodidina ny 200 teo ny ben’ny tanàna lany tamin’ny Antoko AVI Atoa Jean Daniel dit Manjotsoa, rehefa voalaza fa nikasa hanao hetsika fisaorana ny vahoaka. Ity farany izay nandresy tamin’ny isam-bato 65,14% raha 34% mahery kosa ny an’ny kandidan’ny IRMAR Lambo Jean Baptiste. Nandeha ny fitifirana basy sy pilotra, ka voalaza fa niaro tena ireo notafihina, ka nahafaty iray tamin’ny mpanafika. Vokany, nivoaka ny zanaka lahimatoan’ny ben’ny tanàna vao lany ary efa ben’ny tanàna tao an-toerana teo aloha (2020-2024), mba handamina, kinanjo ny ainy no nanefa. « Ny fomba nahafaty an'i zokinay dia tsy namaly mihitsy izy fa nivoaka ny trano moramora ary nifona sy nitady fandaminana. Dia izao no nasetr'izy ireo ny fiangaviany. Mbola nampijalijaliny sy norohizin'izy ireo,… ary ny tena nahafaty azy dia fantsika famaky maromaro tao amin'ny hatony. », hoy ny fanazavana. Kandidà nifaninana tamin’ilay ben’ny tanàna lany no nambaran’ny lasibatra fa nitarika andian’olona izay nisy mersenera dahalo nanafika azy sy nahafaty ny zanany. Efa depioten’i Bekily teo aloha ny ben’ny tanànan’i Tsirandrany, ka voalaza ihany koa andaniny, fa efa nisy lonilony resaka fitifirana olona tamin’ny fotoan’androny.

EFA NISY FANDRAHONANA NIALOHA
Efa nisy ny fandefasana taratasy nataon’io ben’ny tanàna io tamin’ny lehiben’ny distrika, nampandalovina tamin’ny Filoha nasionalin’ny AVI teto Antananarivo, nangataka ny hampitsaharana ny grevy sy fampihorohoroana ataon’ireo ambarany fa mpifanandrina avy amin’ny IRAMAR. Voarakitra tao anatin’io ny filazana fa nanomboka ny 13 febroary voafaritra hametrahana samboady no nisy ny fanakanana ny famohana ny biraom-panjakana, fandrahonana fa hifofo ny ain’ny ben’ny tanàna sy vady aman-janany ary ny fianankaviany sy ny fananany. «Tonga tany an-toerana ny lehiben’ny distrika sy ny Lehiben’ny Borigady, saingy ny mahagaga anay dia tsy nisy fanamborana, kanefa olona nahavanon-doza : namono olona, nangalatra omby am-polony, nandrodana trano am-polony, naka vola 7 tapitrisa Ar,… Nisy toromarika nataon’ny depiote fa niteny ny sefo distrika sy ny depiote ao an-toerana fa ajanona aloha ny raharaha, ary tsy haparitaka ny horonantsary. », hoy ny lehiben’ny hoy ny rahalahin’ny maty ny sabotsy teo, izay nanao antso tamin’ny Filoham-pirenena, Praiminisitra, ireo mpikamban’ny governemanta misahana ny filaminana. Ny takarivan’ny zoma teo moa no efa naharaisana vaovao, fa tsy hisy andian’olona hijoro hisakana ny famoriam-bahoaka sy fametrahana samboady, ary tsy hanaiky na hisy ra mandriaka sy faty olona aza.

ADY AN-TRANO ARA-POLITIKA, FITANILANA…
Anaty fianankaviana politika iray samy mpanohana an’i Andry Rajoelina tao anatin’ilay Vovonana antsoina hoe : UPAR (Union des Pro-Rajoelina) ny AVI izay tarihin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana sy ny IRMAR, saingy izao tonga hatramin’ny fifamonoana izao. Ny tsikaritra tamin’ity toe-draharaha ity, efa hatrany amin’ny tapaky ny febroary, dia nandeha tsy nisy fanembatsembanana ny fihetsiketsehana nentina nanoherana ny fahaanian’ny kandidan’ny AVI io,… Ny tany an-kafa toy ny tao Antanambao Mahatsara sy Ambodinonoka anatin’ny distrikan’i Vatomandry nanoheran’ireo vahoaka ny fandrendrehana ny kandidan’ny RPR (Rassemblement des Partisans Ratsirakisme) anefa nampiasaina ny Emmo-reg, nisy fisamborana, fikarana fitsarana,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap